Other News

Ho avy eto an-dRenivohitra: hitondra ny « Indray mihira » ny Sandratra Anjeva

Tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny tontolon’ny soratra. Hiova tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay… Hanatanteraka antsa lehibe ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva. Raha ny avy any an-dRenivohitra no manatanteraka hetsika any amin’ny sampana… Hiova indray izany ! Ho avy eto Antananarivo ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva. Hanatanteraka antsa tononkalo […]

Tetikasa Kopakelatra : tavoahangy 7 700 voaangona

Nanao hetsika goavana tany Toamasina ny ekipan’ny RSE ao amin’ny orinasa Star, ao anatin’ny tetikasa Kopakelatra, entina hitsinjovana ny tontolo iainana. Taorian’ny fitetezana ny tanàna, nanentanana ny mponina, maherin’ny 7 700 ny tavoahangy plastika avy nampiasaina voaangona. Tohin’ny nametrahana toeram-panangonana manokana efatra (Club Nautique, Total Villa Plexis, Galana Bazary Be, […]

Rajoelina Andry: « Laharam-pahamehana ny famerenana ny tany ho an’ny vahoaka »

Tontosa, omaly, ny fidinana ifotony, tao amin’ny distrikan’ Antanifotsy, faritra Vakinanka­ratra, nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Fihainoana ny mararin’ny va­hoaka, fanatanterahana ireo fanamby napetraka ary fitokanana fotodrafitrasa no nandravaka ny fandaharam-potoa­nan’ny fitsidihana. Anisan’ izany ny fizarana karatany sy ny fitokanana ny tobim-pahasalamana ao an-toerana. Ao anatin’ny fanambin’ny fitondram-panjakana, mandritra izao […]

Ambatofinandrahana: misehatra amin’ny fampandrosoana ny FMA

Anisan’ny ezaka tanterahin’ ny Fikambanana mandresy ao Ambatofinandrahana (FMA) ny fampandrosoana ny eny ifotony tao anatin’ny tao maro nijoroany. Anisan’izany ny fa­nomezana rano fisotro ho an’ ireo fokontany any an-toerana. Ny jiro manazava ny tanàna ary koa ny fanohanana eo amin’ny lafiny fahasalamana ireo mponina any amin’ity distrika ity. Ankoatra […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: hisitraka ny tambin-karamany ny sefo fokontany

Mamaha ny olan’ny mpitantana eny ifotony. Anisan’ny fanahapan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha ny hanomezana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany. Nivoitra tamin’izany fa efa fanao ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany sy ireo lefitra amin’ny alalan’ny “Mobile banking” amin’ny ezaka fanovana ny fomba fitantanana. Mbola maro nefa izy ireo […]