Other News

Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Misy ny fifampiraharahana hamerenana ny volamena 73 Kg”

«Misy ny fifampiraharahana eo amin’ny fanjakana afrikanina tatsimo amin’ny fanohizana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny famerenana io volamena io», hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavi­tafika, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, ny amin’ny volamena 73 Kg avy aty Madagasikara tratra tatsy Afrika Atsimo, efa-taona lasa. Miara-misalahy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana […]

Vola 50 Ariary volamena : Jifaina amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny famarotana ilay vola 50Ar vita amin’ny volamena manamarika ny faha-50 taon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Afaka manjifa izany, amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar, ny rehetra amin’ny alalan’ny fisoratana anarana eny anivon’ny BFM. « Hanamarika ny tantaram-pirenena ny fametrahana ny vola volamena izay hanamarin-toerana sy hanome […]

Jirama: Tomponandraikitra 48 niakatra teny amin’ny Pac

Niverina niakatra teny anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac), omaly, ny raharaha maha voasaringotra ireo tomponandraikitra 48 eo anivon’ny orinasa Jirama. Voaro­hirohy tamina fanodinkodinam-bolam-panjakana, fanararaotam-pahefana, firaisana tsikombakomba ary famotsiam-bola izy ireo. Anisan’ izany ny tale jeneralin’ny orinasa teo aloha miisa roa, Andriamanga Vonjy, Radanie­lina Rivo Herilala, ny tale kabinetran’ny orinasa, Rasami­manana Vonjy, […]

fizahantany: nivoaka ny tondrozotra

Firenena anisan’ny mahasarika mpizahatany i Madagasikara noho ny hakantony sy ny fananany ireo karazan-javamananaina isan-karazany. Napetraka ny tondrozotra ho an’ny fampandrosoana io sehatra io, nandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena tamin’ireo mpamatsy vola, ny zoma teo, tetsy Ambodivona. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny hampiroborobo ny sehatra eto Madagasikara, hametraka […]

Raharaha Thaïlande: olona 18 voasaringotra

Mitotaly 18 ny olona voasaringotra tamin’ny fanondranana varika 48 sy sokatra 1 076, tany Thaïlande. Niakatra teny amin’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), omaly, ireo tratra teto Madagasikara. Hatramin’ny ora farany nanoratanay dia mbola ilay teratany sinoa iray, voasambotra teto Mada­gasikara mahakasika ny fa­non­dranana antsokosoko ireo varika 48 sy sokatra 1 076 […]