Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy. Taorian’ny fandresena telo tamin’ny lalao telo, nataon’ireo Ankoay U18, lahy sy vavy, nandritra ny fifanintsanana isam-bondron’ ny lalao Acnoa, faritra fahafito, izay natao ny alarobia lasa teo, tany Seychelles, tafita amin’ny manasa-dalana izy ireo. Araka ny vaovao voaray, hifanandrina amin’ny Malagasy mpilalao vehivavy, i […]
Other News
Rugby vehivavy – «CAN 2024» : hiatrika ny “Mondial 2025” D2 na D3 ny Makis Ladies
Hafaliana sy tebiteby no niainan’ireo Malagasy mpijery baolina tao Andohatapenaka, ny alarobia lasa teo. Tafavoaka mpandresy tao anaty ady sarotra ny Makis Ladies raha nifanandrina tamin’i Cameroun. Sambany teo amin’ny tantara! Tafita amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, «Mondial 2025», taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, ny ekipa nasionaly Makis Ladies. […]
Vonjy voina eo anivon’ny CRM: miahy ny maha olona sy ny marefo ny mpilatsaka an-tsitrapo
Sehatra iray mahaliana ny ankamaroan’ny tanora ny fidirana amin’ ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara. Anisan’ny sampana iray manatanteraka ny fanampiana ny olona marefo manerana ny Nosy ny mpamonjy voina, Croix Rouge malagasy. Tambajotra miahy ny maha olona sy ny marefo eto amin’ny Nosy ny sampana vonjy voina, Croix Rouge malagasy […]
TSELATRA
Zazavavy miisa roa hita faty tao Amparemahitsy, Mahajanga II, afakomaly. Mpanjono handeha hiasa no nahatsikaritra ny fisiana fatin’olona iray ka niantso ny manodidina. Ny tolakandro, zazavavy iray hafa manodidina ny 6 taona hita faty natsingevan’ny rano tsy lavitra ny toerana nahitana ilay zaza hitan’ny fokonolona vao maraina. Misokatra ny fanadihadiana. […]
Anosizato Andrefana : trano fivarotan-kazo nirehitra
Nitrangana haintrano indray teny Anosizato Andrefana, omaly hariva. Trano fivarotan-kazo ity nirehitra tampoka ity. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpiasa sy ny tompon-trano fa ny afo efa nirehitra no nahataitra ny rehetra. Raikitra teo ny fifanjevoana satria nijoalajoala ny afo narahina setroka maintibe nahazo tamin’ireo ampahan-kazo […]






