Other News

Famahana ny olan’ny fananan-tany : nizarana karatany ny any Vakinankaratra

Mitohy hatrany ny fizarana karatany faobe manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Manatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nahazo izany ireo distrika miisa roa any Vaki­nankaratra, ny 15 mey teo. Miisa telo ireo kaominina nizarana karatany maherin’ny 34 500 ho an’ny distrikan’An­ta­nifotsy. […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 20 895 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara, ny volana avrily teo, izany hoe, nahitam-piakarana 12% raha oharina tamin’ny volana avrily, ny taon-dasa, izay 18 657 isa. Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany ary manakaiky ireo antontanisa voaangona ny taona 2019 ireo isan’ny mpizahatany tonga eto amintsika. Nolaniana nandritra ny […]

Fampandrosoana ny eny ambanivohitra : lesoka amin’ny fiakaram-bokatra ny haratsian’ny lalana

Sakana ho an’ny fiakaran’ny vokatra sy ny fandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny haratsian’ny lalana. Mampihena ny fidiram-bolan’ny tantsaha izany no mampahazo vahana ny fahantrana koa. Mampijaly ! Ratsy sy simba avokoa ny ankamaroan’ny lalana eto Madagasikara. Anisan’ny mampitontongana ny tontolon’ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra izany. Vokany, mihena ny […]

TARATRY ny KANTO

La Teinturerie – Mafonja sy i Silo. Fampia­rahana talenta naharitra tokoa ny azy roa lahy. Be mpankafy ary manan-kozaraina hatrany ireto mpanakanto ireto. Manome fotoana « ao an-tokotaniny », etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Toa ny mahazatra, hikisaka eny amin’ny Le Garage Antsahavola izy […]

Dihy ankehitriny: hanatanteraka seho miavaka ny Cie Katrakala

Hotontosaina ny sabotsy 18 mey 2024, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny “Tasy”. Fampisehoana maroloko ifangaroan’ny dihy sy ny mozika ary ny saripika, hiarahana amin’ny Compagnie Katraka­la. Tanjon’ny hetsika ny hanaitra ny feon’ny fieritreretan’ny rehetra noho ny fanapotehana sy fanimbana ataon’ny kolikoly eto Madagasikara. Tsy toy ny mahazatra anefa […]