Other News

VAOVAO TAMBATRA

Misy fifangaroana ny menaka ao amin’ny gropy G2 any Andekaleka, omaly. Voatery najanona ny milina, ka mety maharitra adiny 7 ora ny fanamboarana azy. Misy, araka izany, ny fanapahana mihodina ny famatsiana herinaratra ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina. Maharitra adiny 2 ora isaky ny toerana ny fanapahana. Nihaona […]

Behara Amboasary Atsimo: afaka manao voly avotra ny tantsaha

Vita ny tohodranon’i Bera­keta, manondraka ny lemak’i Behara, kaominina Behara, distrika Ambosary, faritra Anôsy. Tanteraka izany, noho ny tetikasa Purpa, vatsian’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ny famokarana (IDA), ataon’ny minisiteran’ny Fam­bo­lena sy ny fiompiana (Minae). Araka izany, afaka manatanteraka voly avotra ny tan­tsaha. Natao ny 26 avrily teo ny fizarana […]

TARATRY ny KANTO

Halevina rahampitso i Lalie. Araka ny fandaharam-potoana avy amin’ny fianakaviany, handrasana ao an-tranony ao Ambohimiandra ny nofo mangatsiakany. Rahampitso alarobia 1 mey, amin’ny 11 ora kosa no hoentina hatao veloma farany ao amin’ny Ekar St Etienne Ambanidia, mialoha ny hanitrihana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ambohimalaza. Tontosa omaly, teny amin’ny […]

Festival Madagascar : hampahafantarana ny haikanto sy ny haisoratra

Tanterahina ny 3 sy 4 mey 2024, ao amin’ny Centre Vic­toire Tinayre, Paris-France, ny «Festival Madagascar: Cultu­re et Solidarité ». Hetsika ka­rakarain’ireo fikambanan’ny Malagasy misehatra eo amin’ny haikanto sy haisoratra monina any ampitan-dranomasina. Fijerena horonantsary, tafa sy dinika, atrikasa ary fampisehoana no handravaka ny fandaharam-potoanana amin’izany. Ankoatra ny fampitomboana ny fifandraisana […]