TARATRY ny KANTO

Halevina rahampitso i Lalie. Araka ny fandaharam-potoana avy amin’ny fianakaviany, handrasana ao an-tranony ao Ambohimiandra ny nofo mangatsiakany. Rahampitso alarobia 1 mey, amin’ny 11 ora kosa no hoentina hatao veloma farany ao amin’ny Ekar St Etienne Ambanidia, mialoha ny hanitrihana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ambohimalaza.
Tontosa omaly, teny amin’ny Trano fivarotam-boky « Tsipika » Ambohijatovo, ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky « Ana et la tache ». Bokim-panabeazana sy fialana voly, natao ho an’ny ankizy, nosoratan-dRazafindrabe Anja Adriana. Anisan’ny nahazo tohana avy amin’ny IFM, ny mpanoratra. Nahafahany nanatontosa izao tetikasa izao.
Hifarana anio, ny fampiratiana «Hoso­dokon’Iarivo ». Hetsika nanehoana ny sanganasan’i Tiana Raparivo, anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny hosodoko. Mbola mila fanabeazana ara-java-kanto ny Malagasy, amin’ny ankapobeny, araka ny nambaran’ny mpikarakara, raha ny akon’ny fampiratiana no jerena.
Manomboka izao, hisy ny fampisehoana hatsikana, « Antan’Art enina », misokatra ho an’ny rehetra, karakarain’ny fikambanana Be Tige, eny amin’ny Zaridainan’Antaninarenina. Isaky ny Alahady tolakandro no hanatanterahina ity hetsika ity. Tanjona ny hampahafantatra ny Stand Up, izay karazana hatsikana, araka ny nambaran’ny mpikarakara.

Partager sur: