Festival Madagascar : hampahafantarana ny haikanto sy ny haisoratra

Tanterahina ny 3 sy 4 mey 2024, ao amin’ny Centre Vic­toire Tinayre, Paris-France, ny «Festival Madagascar: Cultu­re et Solidarité ». Hetsika ka­rakarain’ireo fikambanan’ny Malagasy misehatra eo amin’ny haikanto sy haisoratra monina any ampitan-dranomasina. Fijerena horonantsary, tafa sy dinika, atrikasa ary fampisehoana no handravaka ny fandaharam-potoanana amin’izany. Ankoatra ny fampitomboana ny fifandraisana eo amin’ny samy Malagasy any ampitan-dranomasina. Tanjona koa ny hampiroborobo sy hanokatra lalana ho an’ny haikanto sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy mpahay kanto.
Ho ambohipihaonan’ny mpankafy haikanto, indrindra ny literatiora sy ny sarimihetsika, ny “Festival Madagascar: Culture et Solidarité”. Fijerena ny sarimihetsika “La jeune fille et le ballon ovale” no hanokafana ny seho, arahina tafatafa sy dinika iarahana amin’ny mpanatontosa ity sarimihetsika ity. Eo koa ny rantin-tsarin’i Sophie Bazin, “Antananarivo intime”, ary faranana amin’ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Telo ny andron’ny 3 mey. Atrikasa iarahana amin’i Johary Ravaloson sy angano “L’arbre m’a dit”, iarahana amin’i Mary-des-ailes. Fan­defa­sana ny sarimihetsika “An­gano angano, nouvelles de Madagascar”, an’i Marie Clémence sy i César Paes kosa no hamaranana ny « Festival Madagascar: Cul­ture et Solidarité ».

Lin

Partager sur: