Other News

IRMAR AMBOHIDRATRIMO: Kandidà ao Ambohidratrimo Rakotoarisoa Johnny

Nametraka ny taratasy filatsahan-kofidina tetsy amin’ ny Ovec Ambohidratrimo,, omaly ny solombavambahoaka Rakotoarisoa Johnny. Milatsaka amin’ny anaran’ny Plateforme Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina ny tenany. 5 taona no vita, nahafahana nijery sy niara-niasa ta­min’ny ambaratongam-pitondrana indrindra nifaneraserana tamin’ny vahoaka. Nisaotra ny filoha Andry Rajoelina sy ny birao politika nasionaly […]

Distrikan’i Betroka: mitady olom-baovao ho depiote

Kandidà telo no nametraka ny taratasy filatsahany ho fidina ao amin’ny distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Ani­san’ izany ny solombavambahoaka amperinasa, Randrianasolo Nicolas. Ny avy amin’ny antokon’ny fitondrana, tarihin’ny kandidà Razafindrahera Henrilly Odestin, izay miaraka amin’ny ben’ny Tanàna amperinasa. Anisan’ny olom-baovao kosa, handrasan’ny mponina ny tsy miankina, Andrialemirovason Moëz […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo fitaovana ireo kaominina any Andapa

Nisitraka fitaovana informatika, toy ny ordinatera sy “Panneaux solaires” avy amin’ ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, ireo kaominina miisa 13 any amin’ny distri­kan’Andapa. Notanterahina omaly, tany Sambava, ny fa­nolorana izany mba hahafahan’ireo ben’ny Tanàna mampiasa tanteraka ny drafitra fanajariana “Schéma d’aménagement communal – Sac”. Hitohy amin’ny […]

Pôle stage Madagascar (PSM): hofanina ny tanora hanana hoavy mamiratra

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny hampamiratra ny hoavin’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Ni­sokatra nanomboka omaly ny fiofanana arakasa andiany fahenina anatin’ilay fandaharanasa Pôle stage Madagas­car (PSM). Fampiofanana iarahan’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­sikara (SIM) ary ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa (FOP), […]

Fandraharahana: laharana voalohany i Madagasikara

Maro ireo tanora liana sy misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Manodidina ny 19,5% ny tahan’ny asa fandraharahana (activité entrepreneuriale) eto Madagasikara, mametraka ny firenena amin’ny laharana fahavalo maneran-tany, voalohany kosa amin’ireo firenena ambany fidiram-bola, ny taona 2020. Firenena mavitrika amin’ny famoronana orinasa i Mada­gasi­kara. Mano­didina ny 19,6% ny tahan’ny […]