Other News

Pureplay Football League : Voatazon’ny CosPN ny Disciples

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahavalo sy fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­ga­sikara, “Pureplay Football League (PFL)”. Nosahiranin’ny CosPN Analamanga ny Disciples Fc Vakinankaratra, ny asabotsy teo, tany Antsirabe. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta. Marihina fa ny ekipan’ny Polisy nasionaly no nitarika 1 […]

Rugby – « XXL Top 12 » : Mbola mpanjakan’ny kartie ny CEA Andranomanalina

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andoha­ta­penaka, ny andro fahafito fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina lavalava. Mipetraka ho mpanjakan’ny kartie amin’ity taranja ity izany ny CEA Andrano­ma­nalina, rehefa nandavo ny FTM Manjakaray, tompondakan’ny “XXL Top 12” farany teo, tamin’ny mokafohy, 29 no ho 28. Raha iverenana kely ny […]

DAKA AN-JORONY: Lasa ilay tongotra havia

Nanjombona mbola atoandro ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Maty ilay kintan’ny baolina kitra, Rakoton­dramasy Desiré, fantatra ny maro amin’ny hoe: Dezy Ramasy. Toy ny nilatsaham-baratra ny rehetra nandray ny vaovao. Tampoka loatra tamin’ny mpankafy fa tsy heno narary na nanaovana antso fanampiana tetsy sy teroa Itompokolahy. Kintana tena namiratra tao […]

Basikety-“Fiba 3X3 Champions Cup” : Tsy nahomby ny ekipa malagasy

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany Bangkok Thaïlande, ny fifaninanana”Fiba 3×3 Champions Cup” izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Tsy nahomby ny Ankoay lahy sy vavy. Faharesena 3 avy no azon’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity, ny faran’ny herinandro teo. Firenena goavana sy efa tompon’ny basikety 3×3 maneran-tany avokoa no nifanandrinan’izy ireo […]

TARATRY ny KANTO

Ankafizin’ny tanora ny tarika Rossy. Tsy azo lavina izay, raha ny zava-nisy teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo. Nantsoina hanafana ny fanombohan’ny «Smatch’in» izy. Lalaon’ny tanora, saingy tsy nisy tsy niredona ny hiran’ny Rossy ny iray lapa. Niraikitra koa aza ilay tononkira novaina tamin’ny «Ampitampitao» nandritra ny […]