Naheno paipaika ny teny amin’ny manodidina ny Rovan’Antananarivo. Misy inona ? Ho famaliana io fanontaniana io, nanao fampahafantarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nanatanterahana ny fampahafantarana ny zava-nisy tao Anatirova, omaly. Taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana laharana faha-606, tamin’ny 18 febroary 2026, […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Mikendry hanokatra sehatra ho an’ny dinika stratejika sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny andrim-panjakana, ireo mpisehatra amin’ny niomerika ary ny fahafahana mamorona asa ho an’ny tanora. Ireo no tanjona apetraky ny hetsika Espace jeune entrepreneurs (EJE Shift), tanterahina etsy amin’ny Orange Digital Center, Soarano. Sehatra manan-danja entina manentana ny tanora hiroso bebe […]
Banky Sipem-Materauto : Nitarina ny fiaraha-miasa
Nanomboka tamin’ny fanamorana ny fividianana moto marika Loncin sy Voge ny fiaraha-miasan’ny banky Sipem sy ny orinasa Materauto, natao sonia ny 31 janoary 2025. Nohavaozina izany, ankehitriny, ka nitarina any amin’ny fividianana fiara, fiarabe, fitaovana vaventy,…, fitaovana mamokatra angovo avy amin’ny masoandro. Tanjona ny hanitarana ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. […]
40 taona ny SNGF : Mamokatra zana-kazo 300 000 isan-taona
Mampiavaka ny Sompitra nasionaly momba ny ambiokan’ala (SNGF) ny famokarana ambioka ho an’ny zana-kazo, indrindra ny hazoala. Feno 40 taona, ankehitriny, ity foibe ity, ka ho fanamarihana izany, nisy ny sary famantarana manokana, maneho ny isa 40 taona niasany, ahitana ny voa ary ny sarin’ny hazo, maneho ny harena sy […]
Fampivoarana ny tsenan’ny asa: Nisy ny dinika mahakasika ny faharanitan-tsaina artifisialy
Notanterahina teny amin’ny YMCA Ankerana ny dinika momba ny fampivoarana ny asa noho ny firoboroboan’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) amin’izao fotoana. ” Ahoana ny hanànana asa matihanina anatin’ny fivoaran’ny IA?”. Nivoitra izany nandritra ny hetsika “Carrer Talks” izay nokarakarain’ny Arisera niaraka tamin’ny YMCA Madagascar sy Peak Business Partner. Nifanakalo hevitra momba […]






