Tontosa, omaly, tao amin’ny Kudeta Anosy, ny lanonana namaranana tanteraka ny andiany faha-10 amin’ny “Smatchin”, taranja basikety. Fotoana niarahana nifety tamin’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ity hetsika ity. Voatsonga ho mpilalao mendrika ka nahazo ny “mention honorable” i Mathias M’Madi, Malagasy mpilalao basikety. Nisongadina tanteraka izy nandritra ny taom-pikatrohana […]
Other News
Lalao ara-pirahalahiana : resin’i Madagasikara 1 no ho 0 i Burundi
Tsara ny vokatra azon’ny ekipa malagasy Barea, tamin’ny lalao voalohan’ny “Fenêtre Fifa”. Nahazo fandresena nanoloana an’i Burundi izy ireo. Notanterahina; omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lalao ara-pirahalahiana tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa”, karakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 1 no ho 0 i Burundi. Raha […]
INDRAY MIJERY
Mpilatsaka an-tsitrapo japoney miisa 3 nahatanteraka ny asany no nitodidoha any Japon. Nandritra ny herintaona sy tapany ny fampitana iraka nataony teto Madagasikara. Nanampy sy nanatsara ny fiainan’ny tantsaha, ny fanjarian-tsakafon’ny reny sy ny zaza ary ny fampiroboroboana ny harenan’ny olona, indrindra ny tanora, izy ireo. Nifampizara traikefa mahakasika ny […]
TARATRY ny KANTO
Niu Raza etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hotontosiana rahampitso indray ilay seho faharoa. Noho ny fangatahan’ireo mpankafy tsy nahatratra tapakila tamin’ny seho voalohany, ny alahady teo, no antony. Tsy hitovy tanteraka ny ny endri-tseho na ny hira alahatr’i Niu Raza, araka ny efa nampanantenainy. Ny ao amin’ny «Slam Suare», fikambanana ivondronan’ireo […]
Mitohy ny fankalazana ny faha-20 taona: hanasa ireo namany an-tsehatra ny TGC
«Tamin’ny voalohany», no nampisaloran’ny Tana Gospel Choir ilay seho fanombohana ny fanamarihana ny faha-20 taona nisiany. Nosafidian’izy ireo manokana tamin’izany ny Tranompokonolona Analakely, noho izy toerana niseharan’ny TGC voalohany. Nampanantena izy ireo nandritra io seho io fa hisesy ary ho maromaro, ny fampisehoana hanamarihana izany 20 taona an-tsehatra izany. “TGC […]






