“Amin’ny ankapobeny, mavitrika amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena. Na izany eo, raha ny marina: eo koa ny tsy fahampian’ny fanentanana”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël, ny amin’ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana amin’izao. Mandeha tsara amin’ny ankapobeny ny […]
Other News
Hafatra Noely: miantso fandinihan-tena tsy hifampihantsiana ny FFKM
“Mitarika antsika handini-tena ao anatin’ny fanetren-tena ny Filazantsaran’ny famonjena, ka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin’ny fahalovana sy ny ratsy fanao”, hoy ny hafatry ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), noho ny fahatongavan’ny Noely 2022. Niaingan’ny fanambaran’izy ireo ny hoe: “Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy […]
Pr Ranjeva Raymond: “Zon’ny rehetra ny misitraka fandriampahalemana…”
Nampita hafatra amin’izao fetin’ny Noely izao ny filohan’ny Académie Africaine des Sciences Religieuses Sociales et Politiques – AASRSP, ny Pr Ranjeva Raymond. Nambarany tamin’izany fa tokony hahatonga izao tontolo izao ho mendrika ny hafaliana entin’ny fahaterahan’i Jesoa. “Ao anatin’ny firahalahiana tanteraka ary mba hisitraka ny zo ho an’ny filaminana sy […]
Tandindomin-doza
Tena mihanoka anaty fotoam-pahavaratra tanteraka ny eto Madagasikara, ankehitriny. Mijohy ny orana manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Andaniny, ao ny sahirana sahady amin’ny ranobe. Mitaintaina amin’ny trano fonenana sao ho lasan’ny rano na mirodana. Tsy ferana ny miara-matory amin’ny maloto izay hatsinkafon’ny rano satria aloan’ny lakandrano tsentsin’ny fako. […]
Akon’ny Krismasy: nahatratra 286 ireo voasambotry ny polisy
Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana. Mitotaly 286 ireo olona voasambotry ny polisim-pirenena manerana ny Nosy, ny 24 sy 25 desambra teo. Tao ny fanafihana mitam-basy iray sy ny fanafihana mitam-piadina roa. Mitotaly 15 ireo vaky trano niseho saingy voasoroka ny telo tamin’izany. Miisa 32 ireo halatra madinika raha 14 isa […]