Hotontosaina ny 22 sy ny 25 marsa ho avy izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao ara-pirahalahiana hataon’ny Barea de Madagascar. Hanokatra izany ny fihaonan’ny ekipa nasionaly malagasy amin’i Burundi ary ny farany, hifanandrina amin’i Rwanda izy ireo. Hikarakara fifaninanana nasionaly amin’ny taranja baolina kitra lalaovina anaty trano « Futsal » […]
Other News
Moto – « 4 Heures Honda » : hanomboka anio ny fifaninanana
Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso, eny Ambohidratrimo, ny fifaninanana “4 Heures Honda” eo amin’ny taranja Moto. Marihina fa hiavaka tanteraka ity andiany faha-22 ity satria hotontosaina amin’ny “circuit” vaovao ny hazakazaka. Tsara ny mampahatsiahy fa miisa 170 mianadahy mianaka ny mpanamory, hiady lohany amin’ity fifanintsanana ity. Ankoatra ireo Malagasy mpifaninana, […]
Lalao Afrikanina : andrasana ny Ankoay sy ny Makis ary ny Akomba
Anisan’ireo firenena 54 mandray anjara amin’ny “Lalao Afrikanina”, atao any Accra, Ghana, i Madagasikara. Tsy mbola tonga any an-toerana ireo Malagasy mpilalao basikety sy tenisy ary rugby. Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny “Lalao Afrikanina” andiany faha-13, atao ao Accra, Ghana, ny 8 hatramin’ny 23 marsa ho avy izao. Araka ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Maro ny vehivavy mitana andraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny asa vaventy. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa momba ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny sehatry ny lalana (PDDR) sy ny Fampitohizana ny rohy hisian’ny fampandrosoana miaty (PCMCI), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Anisan’ny nisongadina ny 8 marsa, omaly, tany Toamasina, ny fampirantiana ny […]
Fizahantany : 63 000 ny Malagasy nitsidika valan-javaboahary
Tsy mitsaha-mitombo ! Manomboka mahaliana ny Malagasy ny mitsidika valan-javaboahary. Manana ny anjara birikiny ny fisian’ny hetsika “Tsenaben’ny fizahantany”, nanomboka ny taona 2020. Tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany anatiny, satria nampihisatra ny fizahantany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy teto Madagasikara, ny fisian’ny tranga Covid-19. Araka ny antontan’isa avy amin’ny Ofisim-pirenena ho […]






