Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra teo amin’ny taranja Judo, Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy eto Madagasikara ihany izy no fantatra eo amin’ity taranja ity, fa eo amin’ny sehatra Afrikanina sy iraisam-pirenena ihany koa. Voafidy ho filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo), ny 18 mey 2022, ary izy no Malagasy faharoa […]
Other News
Kitra – «Premier league »: lavon’ny Man City ny Liverpool
Tafakatra amin’ny dingana ampahefa-dalana ny fiadiana ny amboaran’i Angletera “League Cup”, ny Manchester City. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Liverpool, teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium, ny alakamisy lasa teo. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta. Ry zareo citizens no nanokatra […]
Rugby: nodimandry ny Dr Aimé
Misaona ny tontolon’ny rugby malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana tampoka, teo amin’ny faha-49 taonany, ny dokotera Andriamiadana Lova Aimé. Araka ny vaovao, niakatra tampoka ny tosidrany, ny alarobia 21 desambra lasa teo, ka tsy nahatsiarovany tena. Nentina avy hatrany teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, ary naiditra tao amin’ny trano famelomana aina. Natao […]
Beach soccer – Can 2022: gisitra ny Barea de Madagascar
Ratsy ny vokatra tamin’ity taona 2022 ity. Nitana ny laharana farany, tamin’ireo ekipa fito nifaninana, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny Barea de Madagascar Beach soccer (Can 2022). Fihaonana, natao tany Mozambika, ny 21- 28 oktobra lasa teo. Tsiahivina fa tao amin’ny vondrona “B” no nisy ny Barea. […]
Handball: tsy mbola zakan’ny Akio de Madagascar i Afrika
Ratsy ny vokatra ho an’ny taranja iraisana handball sy ny beach soccer, raha ny fifaninanana afrikanina ho an’ny ekipam-pirenena no lazaina, tamin’ity taona 2022 ity. Tsy nahazo fandresena mihitsy ry zalahy, tamin’ireo fihaonana rehetra natrehiny. Mila ezaka ny fiatrehana ny taona vaovao 2023. Lavitra ho an’ny handball malagasy ny Kaontinanta […]