Other News

FANTINA sy FINTINA

Hamelabelatra ny « Antso avo ho an’ny Tete­zamita iarahana manapaka, mirindra ary voasoritra mazava » ny eo anivon’ny fiarahamonimpirenena. Ho­tanterahina, anio, etsy amin’ny foiben’ny Rohy, Amba­tonakanga, izany. Tsiahivina fa efa nanao fanambarana ireo fiarahamonimpirenena an-jatony herinandro vitsy lasa izay, niresaka ny momba izany. Nitohy teny Ambatofahavalo ny hetsika fanohanana ireo […]

Fananana ny maro an’isa eny Tsimbazaza: Mitaky praiminisitra avy amin’izy ireo ny Irmar

Naneho ny heviny manoloana ny ho fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny filoha lefitra fahafito eny amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Nohitsiny fa manana ny maro an’isa ny vondrona parlemantera Irmar eny Tsimbazaza raha hampiharina ny Lalàmpanorenana, nanaovan’ny filoham-panja­kana, fianianana ny 10 oktobra teo. « Tsy manana zo hiditra na hifindra […]

Mandeha miandalana

  Mandeha tsikelikely ny Fanavaozana. Miditra amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra ho tetezana miampita ny fitondram-panjakana. Rava ny governemanta, nametra-pialana tamim-pahendrena ny mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na Ceni. Efa tsy ho ela ihany koa ny ao Tsimba­zaza, raha ny tsilian-tsofina miely. Ho ravana ny Antenimiera! Zava-dehibe […]

Lamina eto amin’ny firenena: niala ny birao maharitry ny Ceni

Araka ny fanapahana n°07-HCC/D3, omaly, nankatoavin’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fametraham-pialan’ireo mpikambana valo eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, afa-tsy ny filohany, rehefa hita ny fahabangan-toeran’izy ireo. Tamin’ny 5 marsa ny fametraham-pialana no natao, napetraka teny amin’ny HCC ny 6 marsa, araka ny fanazavan’ ny mpampakateny […]