Other News

Mpihira evanjelika : Seho lehibe ho fiaraha-mientana amin’i Toamasina

« Andao ampio re izy ». Antso hataon’ireo mpanakanto mpivoy ny hira filazantsara ho fanampiana ireo traboina any Toamasina izany. Mpanakanto ara-pilazantsara sy antoko mpihira mitambatra na Maami. Nanomboka tamin’ny fifanentanana mba haneho firaisankina ho an’i Toa­ma­sina, noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani, izy ireo. Lasa fikambanana ankehitriny ary hanatontosa ny antom-pisiana […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 280 ny zana-tsokatra tratran’ny zandary tany Nosy Be, ny alin’ny 7 marsa teo. Olona 5 no tratra tao amin’ny trano iray any Dzamandzar, ka anisany ny tompon-trano sy ny olona iray voatonona fa nitondra ireo sokatra ireo, izay voalaza fa nokasaina haondrana any ivelany. Tsiahivina fa lehilahy telo no […]

« CDN3 »: Hamafisina ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Atao ny 11 sy 12 marsa izao ny atrikasa fakan-kevitra nasionaly hiatrehana ny fio­van’ny toetr’andro, entina hamolavolana ny Fandraisana anjaran’ny rehetra eto Ma­dagasikara andiany fahatelo (CDN3). Zava-dehibe ity atrikasa fakan-kevitra ity, satria mandray anjara ao daholo ny mpisehatra tsy ankanavaka, heverina fa manan-danja eto Madagasikara amin’ny lafiny fiatrehana ny fiovan’ny […]

Sandam-bola : Mahazo aina ny Ariary

Sambany tao anatin’ny 10 volana no nahazo aina ny vola malagasy. Omaly, tafidina 4 782,67 Ar ny Euro iray ary 4 146,04 Ar kosa ny dolara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Anisan’ny antony voalohany mampahazo izany ny fiverenan’ireo vola vahiny ta­min’ny alalan’ireo fanondranam-bokatra toy ny letisia sy […]