Other News
Nohon’ny COVID – 19: nasorina tamin’ny asany i Felix
Anisan’ny raim-pianakaviana, manao noely eny an-dalambe ihany koa i Felix. Raim-pianakaviana 40 taona. Taorian’ny krizin’ny valan’aretina Covid 19, maro ireo orinasa nikatona. Isany niharan’ny fahaverezan’asa izy. Tsy vitan’izany, mbola nilaozam-bady ihany koa. Niasa tamin’ireny orinasa tsy miankina, mikirakira vy ireny saingy lasa 4’Mis. Mankalaza ny noely samirery izy, araka ny […]
Famatsiana avy amin’ny BAD (ADRIFI): hanamoràna ny fitantanana noho ny fiovan’ny toetr’andro
Nankatoavin’ny Filankevi-pitantanan’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD,) tamin’ny 5 desambra teo, ny famatsiam-bola 19,25 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara. Ho fanampiana ny fiatrehana ny loza noho ny fiovan’ny toetr’andro izany. Hahazo ny famatsiam-bola fanampiny ho an’ny fandaharanasa afrikanina hiatrehana ny loza vokatry ny fiovan’ny toetr’andro (ADRIFI)*,i Madagasikara. Famatsiam-bola hanamoràna […]
Star-CUA: nitarina any an-tsekoly ny baka Kopakelatra
Miara-miasa ny orinasa Star sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin’ny lafiny fitsinjovana ny tontolo iainana, ao anatin’ny tetikasa Kopakelatra. Notoloran’ny Star dababe manokana “baka Kopakelatra” ny sekoly EPP miisa fito eto an-dRenivohitra, ny 12 sy 13 desambra 2022, lasa teo. Tanjona iraisana ny hitandroana ny fahadiovana sy ny hitaizana […]
Judo-Mada 2022: fifaninanana hamaranana ny taona
Toy ny mahazatra, hofaranana amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, ny taom-pikatrohana 2022, ho an’ny taranja Judo. Ny sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors no hifaninana mandritra izany. Fifaninanana hatao ny 28 sy 29 desambra 2022 eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Tsiahivina fa tontosa antsakany sy andavany avokoa ny fandaharam-potoan’ny federasiona […]