Nankatovian’ny firenena miisa 196, ny 19 desambra teo, ny « Fifanarahan’i Kunming-Montréal », antsoina koa hoe « Fifanarahana ho an’ny fandriampahalemana miaraka amin’ny tontolo iainana ». Tafiditra ao anatin’ny fivoriamben’ny firenena, CBD Cop 15 ity natao tany Montréal, Canada ity. Naharitra efa-taona ny ady hevitra, ny fifampiraharahana samihafa nandinihina ity, CBD Cop 15 ity, […]
Other News
Fetin’ny Noely Fampisehoana “Arbre de Noël”, nitondra aim-panahy”
Nahazo aim-panahy vaovao ny ankizy nandritra ny fankalazana ny Noely. Nasehon’izy ireo tamin’ny fampisehoana “Arbre de Noël” izany. Toy ny isan-taona, nikarakara hetsika “Arbre de Noël” nandraisan’ny ankizy anjara ireo mpanabe eny anivon’ny fiangonana rehefa fotoanan’ny Krismasy. Noely niavaka ny tamin’ity taona ity raha ny zavatra hita sy nasehon’ny ankizy. […]
Basikety-Ankoay U19: haharitra 10 andro ny fampivondronana voalohany
Mafy ny fanazaran-tena hatrehan’ny Ankoay U19 lehilahy, amin’izao fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety izao. Haharitra 10 andro ny fampivondronana tapany voalohany, hataon’ireo mpilalao 14 mirahalahy. Araka ny fandaharam-potoana, manatanteraka fanazaran-tena indroa isan’andro etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ireo mpilalao, miaraka amin’ny mpanazatra , tarihan’ny Coach Randria Aimé, […]
Randrianasoloniaiko Siteny: Malagasy faharoa, tafapetraka ho filohana federasiona eto Afrika
Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra teo amin’ny taranja Judo, Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy eto Madagasikara ihany izy no fantatra eo amin’ity taranja ity, fa eo amin’ny sehatra Afrikanina sy iraisam-pirenena ihany koa. Voafidy ho filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo), ny 18 mey 2022, ary izy no Malagasy faharoa […]
Kitra – «Premier league »: lavon’ny Man City ny Liverpool
Tafakatra amin’ny dingana ampahefa-dalana ny fiadiana ny amboaran’i Angletera “League Cup”, ny Manchester City. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Liverpool, teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium, ny alakamisy lasa teo. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta. Ry zareo citizens no nanokatra […]