Other News

Tontolon’ny saripika : vonona hizara traikefa ny UPPM

« Union des photographes professionnels de Madagas­car » ( UPPM). Araka ny anarany, fikambanan’ireo mpaka sary matihanina manerana ny Nosy izy ity. Miditra amin’ny faha-10 taona nisiany ny fikambanana ka mikasa ny hanamarika izany amin’ity taona ity. Mialoha izay anefa, nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly, ny birao mpitantana […]

Fampirantiana “Planète femmes”: misongadina ireo asa tanan’ny vehivavy

Anisan’ny mandray anjara amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ihany koa ny eny amin’ny AFT Andavamamba, amin’ny alalan’ny fampirantiana “Planète femmes”, hisarihana ny sain’ny rehetra ny amin’ny fananan’ny vehivavy ny maha izy azy. Tanterahina eny amin’ny efitrano malalaky ny Al­liance française d’Anta­nanarivo (AFT) Andavamam­ba, nanomboka omaly hatramin’ny […]

Lalaina zanadrano : Mpanavotra olona maty an-drano

Mahagaga sy sarotra inoana saingy tena misy ny olona nomem-pahasoavana hafahafa amin’ny fiainana. Anisan’i reny i Lalaina zanadrano, in-46 nikaroka olona maty an-drano. Tovolahy iray, zanak’ olona sahirana, monina sy mipetraka ao Sala­zamay Atsimo, i Lalaina. Noraisin’ny kaominina ho mpiasa eo anivon’ny vondrona mpamonjy voina noho ny fahaizany manokana mahakasika […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony ho voatendry amin’ity volana ity ireo sekreteram-panjakana, araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny Prezidansa. Efa nisy ny sasany amin’ireo kandidà 800 latsaka, nataon’ny filoham-pirenena tombana, ankoatra ireo mbola mandalo sivana, eo anatrehan’ilay kabinetra manokana misahana izany. Hanala baraka eo amin’ny iraisam-pirenena ny famosirana ireo mpanolana, araka ny nambaran’ny Dr Rafaralahimalala […]

Andriamarotafika Soava : “Mila manadihady ny momba ireo kandidà ny olompirenena”

“Raha ny tokony ho izy, manao fanadihadiana ny olompirenena fa tsy mihinana amam-bolony”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriama­ro­tafika Soava, manoloana ny mety hirotsahan-kofidina ho solombavambahoaka a,’ireo efa manomboka midina ifotony amin’izao fotoana ary ao ny manomboka mizara fanomezana etsy sy eroa. Tena mi­fandrify amin’izay lazainy tokoa ve ny fihetsiny sy […]