Nifarana, omaly ny fivoriana iraisam-pirenena “Forum Diplomatique 2024 – Antalya”, natao tany Torkia. Anisan’ny niatrika izany ny filoha Rajoelina ary nihaona tamin’ny filoha Tiorka, i Recep Erdogan. Nivoitra tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Tiorkia. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa ho […]
Other News
Antanimena: Jiolahy tratra nanendaka tao anaty taxi-be
Noraisim-potsiny! Nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) teny Antanimena, ny sabotsy atoandro, ny jiolahy iray. Avy nanendaka renim-pianakaviana iray tao anaty taxi-be ity farany tamin’io fotoana io ka lasa tamin’izany ny vola mitentina 2 tapitrisa Ar. Lasa nitsoaka avy hatrany anefa ity olon-dratsy ity rehefa nahazo ny vola […]
RN1 Zazalahy : 13 taona maty voahitsaky ny kamiao
Ankizilahy 13 taona maty tsy tra-drano nodonin’ny kamiao tapaka hisatra, tao amin’ny lalam-pirenena voalohany, Antandrokomby Bemasoandro, afakomaly maraina. Nipotsaka tampoka ny hisatr’ilay kamiao. Nidina fidinana anefa ny fiara ka nifatratra avy hatrany tamin’ny sarety nentina mpianaka. Tsy afa-niala ilay kamiao nivatravatra intsony ilay zazalahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana […]
Efa nigadra: dahalo mpamerin-keloka lavon’ny bala
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo raindahiny iray tao Mavozaza, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 2 marsa teo. Nanao fisafoana ny Andrimasom-pokonolona sy ny zandary ka nifanehatra tamin’ny dahalo dimy lahy. Nitondra zava-maranitra ireo olon-dratsy ka raikitra ny fifandonana. Nikiry hanohitra ireo mpanao fisafoana alina izy dimy lahy. […]
Ambohijanaka: Jiolahy telo maty voatifitry ny zandary
Lavon’ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy nikasa hanafika tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny sabotsy alina teo. Nahitana fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo… Maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ambohijanaka ny telo tamin’ireo jiolahy nikononkonona hanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, ny sabotsy tokony […]






