Other News

Demokrasia : mila amboarina ny fitsipi-dalao

“Mila amboarina ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia eto Madagasikara. Tsy mety raha izao rafitra voageja izao no hanaovana fifidianana, fa lasa haingon-tsehatra ary hampiasain’ny fitondrana fotsiny ny tena: tsy mahazo ny maro anisa”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny Teza, Rako­toamboa Jean-Louis, momba ny fiatrehana fifidianana depiote amin’ny 29 mey. […]

Tsena ZLECAF : hitombo 10 tapitrisa dolara ny fanondranana entana

Nikarakara fivoriana ampitain-davitra ny masoivohon’i Royaume-Unis eto Madagasikara, David Ashley, ny 22 febroary teo. Noresahina ny tombony hidiran’i Madagasikara ao anatin’ny Faritra fifanakalozam-paritra malalaka aty amin’ny kaontinanta afrikanina (ZLECAF). Niaraka nikarakara tamin’ny masoivoho britanika ity fivoriana ity ny vondrona mpandinika « Over­seas Development Institute » (ODI), manana ny foibeny any Londres. Nandray […]

INDRAY MIJERY

Tontosa ny atrikasa mahakasika ny tari-dalana momba ny fanabeazana sy ny sehatry ny asa, tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha. Natao izany ho fanampiana ireo mpianatra tsy mbola mahalala ny lalam-piofanana tokony haleha aorian’ny bakalorea na eo am-pitadiavana tanjona amin’ny fiai­nana ary ho an’ireo nahavita fianarana. Nisitraka fanentanana […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 10 marsa 2024, eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny “Artistes au natur’elles”. Fam­pirantiana manasongadina ny faniriana sy ny filana hampiroborobo ny tantara, ny tontolo ary ny nofinofin’ireo vehivavy mitondra avo ny lokon’ny zavakanto eto Madagasikara. Atrikasa mahakasika ny “Hachures”, izay anisan’ny fototry ny fanaovana sary, no […]

Ady amin’ny herisetra an-tsekoly : naseho voalohany ny sarimihetsika “Le carnet”

Naseho omaly, tetsy Anosy, ireo fitaovana avy amin’ny fikambanana Imaso Ivoho Madagasikara. Izay enti-manentana ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny sekoly, manoloana ny herisetra. Anisan’ny naseho teny an-toerana ihany koa ny horonantsary “le carnet”, notontosain-dRasoanaivo Anjama­malala, mpanatontosa. Entina hanehoana ireo karazana herisetra an-tsekoly amin’ny endriny maro sy ny fiampitan’izany amin’ny fidorohana […]