Mankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny sekoly ambony momba ny fampandrosoana sy ny fiarahamonina (ES.DES). Tsangambaton’izany ny nisokafan’ny fahitalavitra sy ny radio an-tambajotra, natolotra tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo.Tombony ny hahafahan’ny rehetra manaraka izany amin’ny alalan’ny fifandraisana niomerika sy ao anatin’ny tambajotra. Miompana amin’ny fanabeazana sy ho fitaizana ny […]
Other News
Fifidianana depiote : efa maka bahana Razanamahasoa Christine
Efa fampisehoan-kery hiatrehana ny fifidianana depiote? Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tamin’ny vahoakan’ Ambatofinandrahana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine mivady, ny herinandro teo. Vory marobe ireo vahoaka notarihin’ireo ben’ny Tanàna miisa 9, miaraka amin’ny filohany, i Hajarilala Vololomboahangy, ben’ny Tanàn’ Ambondromisotra. Eo koa ireo sefo fokontany miisa 21 ary ireo fikambanana […]
Kôlekitifa an’ny Malagasy : Hanana kandidà iraisana
“Handrotsaka kandidà izahay amin’ny fifidianana depiote, ary efa eo am-panomanana izany fa tsy hoe mijoro manohy ny tolona fotsiny”, hoy ny filohan’ny ARB, Raobelina Andry. Ahitana ny ARB, ny MTS, ny MMM, ny FMI Malagasy, ny Firaisankinan’ ny tia tanindrazana, tao amin’ny vondron’ny kandidà tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izy ireo. […]
Fahazoana galona Jeneraly: “Aoka ho modely isika”, hoy ny Jly Sahivelo Delphin
Noraisin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny Ampahibe, omaly, ireo manamboninahitra jeneraly 18 mirahalahy avy amin’ny Tafika malagasy. Nandritra izany no nametrahany ny galonan’izy ireo, sy nanaovany teny firariantsoa mifandraika amin’izany. Notsindriny mazava koa fa natao hiaro ny Andrimpanjakana mijoro izy ireo, ary tokony ho […]
INDRAY MIJERY
Tontosa ny sabotsy teo ny fivoriam-paritry ny mpikambana Nifin’Akanga. Nandinihina ny hetsika sy tetikasa notanterahina teo aloha sy nandrafetana ireo tetikasa hoavy ny fihaonana. Taratra teo koa ny fanamafisana ny fanoloran-tenan’ny mpikambana ho an’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Natao koa ny fifidianana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny biraon’ […]






