Nanomboka tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Tranompokonolona Ankorondrano Andrefana, ny fizarana tohanaina andiany voalohany ho an’ireo fokontany miisa 5. Ireo olona nifanome tanana tamin’ny asa fanadiovana ny lakandrano Andriantany sy C3 ary ny lakandrano eny anivon’ny fokontany, boriborintany fahatelo, no nisitraka izany. Vita omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny valanjavaboahary […]
Other News
TARATRY ny KANTO
« Hampiaraka in-35…», etsy amin’ny CGM Analakely. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ity « atsam-pitia », izay atolotry ny Faribolana Sandratra ity. Fotoana hiantsan’ireo mpikambana ireo tononkalom-pitia, anatin’ny fanamarihana hatrany ny faha-35 taonan’ny Faribolana. Ambohimanga Rova – Hisy fambolen-kazo, anio. Nosafidian’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera manokana ity harem-bakoka iraisam-pirenena ity, […]
Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy: mankalaza ny faha-67 taona nanoratana
Notanterahina omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny lanonana fanokafana ny fankalazana ny faha-67 taona nanoratan’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy (E. R. R). Malagasy mpanoratra anisan’ny ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra, eny amin’ny ambaratonga faharoa. Manampahefana maro, avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina sy avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, niaraka tamina […]
Raha tsy teo ny fahiny… : very fototra ny ankehitriny
Ho an’ny ankehitriny, nankaiza ny mpamorona? Eo amin’ny hira no tena misongadina be ny famerenana. Tsy ratsy akory ny mampahatsiahy ny taloha, saingy, mety tsy hampandroso raha tafahoatra loatra. Manomboka hita taratra mihamitombo andro aman’alina ny tarika na ny mpihira mamerina ny sanganasan’ny teo aloha. Ny manara-dalàna na tsia, an’ny […]
«Amitié Mozika Evangélique Awards» : ho fankasitrahana ireo mpanakanto ara-pilazantsara
Ampirisihina ihany koa hanolotra ny kanto sy ny meva ireo mpivoy ny hira ara-pilazantsara. Antom-pisian’ny « Amitié Mozika Evangélique Awards » izany. Iza ny ho mpanakanto ara-pilazantsara be mpankafy ? Hiditra amin’ny andiany faha-5 amin’ity ny « Amitié Mozika Evangélique Awards ». Araka ny anarany, natao handrisihana sy hankasitrahana ireo mpanakanto mivoy ny hira ara-pilazantsara, […]






