Nanao fanambarana iraisana ireo fikambanana 50 mahery eo anivon’ny firaisamonina sivily, omaly. ”Mila fifampidinihana ny teti-pampandrosoana”, hoy izy ireo. “Mila fifampidinihana matotra eo amin’ny fitondrana sy ny vahoaka isan’ambaratonga ny famaritana ny teti-pampandrosoana sy ny fitantanana izany”, hoy ny lohatenin’ny fanambaran’ny fikambanana 50 mahery eo anivon’ny firaisamonina sivily, omaly. Kendrena ny ahatanterahan’ny fanjakana tsara tantana, […]
Other News
TSELATRA
Lehilahy iray maty an-drano teny Anosimanjaka, afakomaly. Nanao vary niaraka tamin’ny fianakaviany izy no nivadika tampoka ny lakana. Taizan’aretina anefa ny lehilahy ka nitarika ny fahafatesany rehefa izy rendrika tao anaty rano. Saron’ny mpitandro filaminana ny rongony 60 kg tao Ambondromasina, kaominina Ambodisakoana, distrikan’i Boriziny, ny 20 febroary teo. Namonjy […]
Tambajotran-jiolahy: dimy lahy voasambotry ny polisy
Dimy lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Amparihingidro, Mahajanga, afakomaly. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo ny mponina ao Amborovy, Ambondrona hatrany Amparihingidro. Nanao fisafoana alina ny UIR ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany rehefa nahatazana […]
Ambohijanaka : Jiolahy iray voatifitra
Nirefodrefotra ny basy ! Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina Ambohijanaka, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 22 febroary teo. Teo am-pangalarana omby, voasambotry ny fokonolona io olon-dratsy io. Nentin’ny zandary natao famotorana izy ka nanaiky hitoroka ireo namany. Nentin’io jiolahy io nihazo ny lalamby izay […]
Trafikana olona : Afrikanina roa lahy naiditra eny Tsiafahy
Tratran’ny polisy tetsy 67 ha ny telo lahy, mpanondrana olona antsokosoko any ivelany. Notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy ireo, rehefa nohenoin’ny fampanoavana. Voasambotra teny amin’ny faritry ny 67 ha ny teratany Ganeanina roa lahy sy ny Malagasy iray namany. Mpanondrana olona antsokosoko hiasa any ivelany izy ireo. Naiditra am-ponja […]






