Nitsidika ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ny traboina vokatry ny fiakaran’ny rano nandritra ny rotsakorana naharitra teto an-dRenivohitra ny delegasion’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny fokontany Andrefan’i Mananjara, boriborintany fahefatra, no notsidihina niaraka tamin’ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ary nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tokantrano tra-doza miisa 489, […]
Other News
«Afrobasket Men 2025» : 12 mirahalahy hanafika any Egypte
Nanainga omaly, nihazo an’i Le Caire renivohitr’i Egypte, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy. Hiatrika ny dingana voalohany ho an’ny fifanintsanana «Afrobasket Men 2025» izy ireo. Fihaonana hatao ny 23 ka hatramin’ny 25 febroary ho avy izao. 12 mirahalahy ny mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona «D» no misy […]
Ping- Pong – «Mondial 2024» : tapitra hatreo ny dian’ i Madagasikara
Nofaranan-dry zareo Sinoa ny lalan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana maneran-tany taranja tenisy ambony latabatra. Tsy tafita any amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana ny ekipa malagasy. Tsy tafita any amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalan’ny “Mondial 2024”, taranja “ping pong”, lalao iraisana, i Madagasikara. Fifaninanana atao any Busan, Korea Atsimo. Resin’ny Sinoa avy ao Taipei tamin’ny isa […]
VAOVAO TAMBATRA
Ankalazaina androany, etsy amin’ny Lapan’ ny Tanàna Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpiseradia. Hisy ny hetsika samihafa hanamarihina izany andro manan-tantara izany. Eo koa ny faha-25 taonan’ny fikambanan’ny mpiseradia. Hatsangana ao Farafangana sy Vangaindrano ny orinasa ho an’ny sampandraharaha momba ny famonosana ny vokatra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, […]
Tetikasa “Produir”: entanina ny mponina voakasiky ny asa
Mandeha ny fanohizana ny asa ao anatin’ny tetikasa “Fanajariana ny faritra iva eto Antananarivo (Produir)”, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ao anatin’izany ny fanajariana sy fanarenana ny lakandrano C3.Mila fanentanana ny mponina izany mba hahatsapan’izy ireo ny lanjan’ity tetikasa goavana ity. Koa, nisy ny hetsika diabe, nitetezana tanàna, niainga teny Ambodimita […]






