Other News

FANTINA sy FINTINA

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fampiasana ny Diary fanarahan-draharaha eny anivon’ny fitsarana, Anosy. Araka ny fanazavanan’ny minisitry ny Fitsarana, ezahina ny hanatsara ny fandraisana ireo manan-draharaha eo amin’ny fitsarana. Fantatra, ohatra, ny andro hakana ny didim-pitsarana, ny fanemorana… Haparitaka any Antsirabe sy Toamasina izany ao anatin’ny zato andro. Ny fametrahana […]

lisi-pifidianana : niakatra ny taham-pisoratana anarana

“Niakatra 11,7% ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana raha oharina tamin’ny voasoratra nandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fanambaran’ny Safidy, afakomaly, momba ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, 1 desambra 2023-15 febroary 2024 (Rale), nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Ana­lamanga no nahitana mpifidy vaovao nisoratra anarana be indrindra, nahatratra 51 423 […]

Takon’ny vola

Ohatry ny somary nangingina izany ny fiainana politika eto amin’ny tanàna. Asa ? Samy efa manomana ny eny an-kianja, hiatrehina ilay fifidianana depiote afaka vola vitsy ve?. Ny eny anivon’ny mpanatanteraka, somary tsy re feo ny mahakasika ny sekreteram-panjakana sy ny ho mpiara-miasa aminy. Mbola mitety tany, mamita adidy rahateo ny […]

Rasoamaromaka Hery: “Tsy mankasitraka ny governora hirotsaka ho depiote aho”

Efa fantatra ny tetiandrom-pifidianana. Momba izay ho kandidà, tsy ankasitrahan-dRasoamaromaka Hery ny firotsahan-kofidin’ny governora ho depiote. “Tsy mankasitraka ny governora mirotsaka ho depiote aho”, hoy ny governoran’ny faritra Ana­lamanga sady sekretera na­sionalin’ny TGV, Rasoamaro­maka Hery, teny Ambohidahy, afakomaly. Tsy manary ny zon’ireo governora izy. Hiara-miasa amin’ireo olom-boafidy fa tsy ho […]

Raharaha « Gemfields »: Meloka i Romy Voos Andrianarisoa

Nanapaka ny mpitsara avy amin’ny Crown Court South­wark, fitsarana anglisy, omaly, fa voaheloka noho ny kolikoly nataony Andrianarisoa Romy Voos, talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha. Raha tsiahivina, fakana vola sy fandraisana anjara 5% amin’ny fitrandrahana hotanterahin’ny orinasa Gemfields eto Madagasikara no antontan-taratasin’ady niampangana azy. Ny 10 aogositra 2023 […]