Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano, Ambohidrabiby, afakomaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha, Ramonjavelo Valery. Taorian’ny nivoahan’ny didy fanapahana laharana 01-HCC/D2, tamin’ny 03 marsa 2026, izay navoakan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly. Nohenoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 Ha, ny tenany ary […]
Other News
Ambohimalaza : Valo lahy nangalatra lakolosim-piangonana
Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy nangalatra lakolosim-piangonana tao amin’ny kaominina Ambohimalaza, afakomaly. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo valo lahy niray tsikombakomba tamin’ny fangalarana lakolosim-piangonana, FJKM Ankadindravola, fokontany Andranosoa, kaominina Ambohimalaza, afakomaly. Lasan’ny olon-dratsy ny lakolosy lehibe iray. Naharay fitarainana momba io tranga io ny ekipan’ ny zandary. Olona miisa valo […]
FMF : Fantatra ny toerana hanaovana ny fivoriambe
Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, fantatra izao fa hotanterahina any Antsirabe, ny faran’ny volana marsa ho avy izao, ny fivoriambe ara-potoana (AG) an’ny Federasionina, raha tsy misy ny fiovana farany. Mandritra io fotoana io no hanaovan’ireo mpitantana ny rafitra federaly mitantana ny baolina […]
Nosimbain’ny vahiny : Diso fahavalo ny vehivavy malagasy
Tsy nety sy tsy nifanaraka tamin’ny foto-pisainana vahiny ny fametrahana ny vehivavy ho loharanon’ny taranaka (miteraka, mitaiza, manabe). Nezahin’izy ireo nopotehina izany. Ho an’ny Malagasy, tsy mety ny «vehivavy fotsy varavarana». Ho an’ny vahiny, mila mivoaka ny trano miasa ny vehivavy hanampy ny lehilahy. Nampidirin’izy ireo ihany koa ny karazana […]
Volley-ball – CCCOI 2026 : Resin’ny Port-Louis Maurice ny Mama VBC
Nitohy omaly, tatsy Seychelles, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny klioba tompondaka na ny CCCOI, taranja volley-ball. Teo amin’ny sokajy lehilahy, lavon’ny Port-Louis avy atsy Maurice, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny Mama volley-ball club Madagasikara. Ny seta voalohany ihany no lasan’ny ekipa malagasy, izay norombahiny […]







