Vaovao iray niteraka resabe tetsy sy teroa, ny tsy fandraisan’ anjaran’i Madagasikara tamin’ny lalao iraisan’ny Nosy ho an’ny tanora, izay ato any Maorisy, nanomboka ny alahady lasa teo. Zava-dehibe manamarika ny maha firenena manana ny maha izy azy anefa ny fandefasana delegasiona tany an-toerana. Mifanontany tena ny rehetra amin’ny antony […]
Other News
Tsy nanao CJSOI : olan’ny Ministera sy ny Prezidansa
Sambany tao anatin’ny andiany 12 nifanesy no tsy mandray anjara amin’ny CJSOI i Madagasikara. Voalaza fa nampikatso ny dia: ny olana noho ny fifandroritana andraikitra teo amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Fiadidiana ny Repoblika. Sady nalahelo, tsy nahitam-peo, menatra ny ankamaroan’ny mpitia fanatanjahantena, omaly. Tsy nisy nanampo fa tsy misy […]
Roa andro vao hita: lehilahy iray maty navadiky ny lakana
Nokarohina roa andro vao hita ny iray tamin’ireo mpandeha lakana nivadika tao Antanisoa, fokontany Befeno, kaominina Fenoambany, distrikan’i Vangaindrano, ny alahady teo. Olona efatra izy ireo ny tao anaty lakana ka vehivavy ny iray. Nanonja mafy anefa ny rano ka nitsimbadika tampoka ity fitaovam-pitaterana ity. Rendrika tao anaty rano ireto […]
Polisy sandoka: voasambotra niaraka tamina fanamiana marobe
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nisandoka ho polisy tao amin’ ny tanànan’Ambilobe, omaly. Mpitondra bajaj teo aloha, nisandoka andraikitra tamin’ny alalan’ny fanaovana ireny fanamiana polisy ireny ny lehilahy. Hananany avokoa ny satroka, ny akanjo sy ny sisa … Avy any Sambava izy ary niaiky fa mpitondra bajaj tokoa ny […]
Anosibe: tratra ilay nandroba tao anaty taxi-be
Avy naka an-keriny ny zavatra teny an-tanan’ny mpandeha taxi-be iray, saron’ny polisy nanao fanamiana sivily ny tovolahy mpanendaka iray tetsy Anosibe, omaly maraina. Nikasa hanao ny asa ratsiny toy ny mahazatra rehefa anaty fitohanana, nitilitily ireo mpandeha anaty fiara ity tontakely ity. Tamin’izany, ramatoa iray tao anaty taxi-be no lasibatra. […]