Efa am-perinasa tanteraka ny fahefana mpanatanteraka amin’izao? Mandeha ny fidinana ifotony: fijerena ny olan’ny vahoaka, famahana olana. Miara-dalana amin’izany ny fampandrosoana mivantana; eny, na eo aza ny lafiny politika tsy maintsy atrehina: fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, fifidianana depiote. Mila fandaminana be eo anivon’ny antoko politika izany. Na izany […]
Other News
Fifidianana: ny 29 mey ny depiote, ny 6 novambra ny kaominaly
Namoaka ny volavolana tetiandrom-pifidianana ny Ceni, omaly, teny Alarobia. Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka ary ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna. “Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka, ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina kaominaly na monisipaly”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, […]
TSELATRA
Inspektera eo anivon’ny polisim-pirenena miisa 219 nahatontosa fianianana tetsy amin’ny fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, omaly. Misahana manokana ny famotorana ny fandikan-dalàna izy ireo. Hiroso amin’ny asa avy hatrany izy ireo taorian’io lanonam-pitsarana io. Nalain’ny dahalo avokoa ny nofon’omby rehetra ary nariany teny an-dalana ny toalany ka hitan’ny fokonolona tao Antamboho […]
Morondava: tratra ny jiolahy nanafika sinoa mpandraharaha
Saron’ny polisy ny jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana teratany sinoa mpandraharaha tao Nosikely Morondava, ny sabotsy 10 febroary 2024 lasa teo. Nisy trangana fanafihana tao amina tokantrano iray ao Nosikely. Jiolahy telo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana no voalaza fa niditra an-keriny tao an-tranon’io teratany sinoa io. Nahazo ny angom-baovao rehetra momba izany […]
Nanota fady : olona natelin’ny ranomasina tao Toamasina
Raim-pianakaviana 58 taona no natelin’ny ranomasina tao Toamasina, ny sabotsy teo. Mbola tsy nipoitra avy ao anaty rano ity niharam-boina ity taorian’ny fikarohana nataon’i Lalaina zanadrano, ilay tovolahy mpisitrika manavotra olona natelin’ny ranomasina. Ireo mpaka sary eny amoron-dranomasina no nahatsikaritra entan’olona mipetraka eo amoron-dranomasina ka samy nifanontany teo. Sakaosy niaraka […]






