Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo jiolahy roa lahy malaza amin’ny vaky trano eny Ambohimalaza. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay namany rehefa avy niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, ny alarobia teo. Tra-tehaky ny zandarimaria miasa ao an-toerana, ny talata teo, ireo raindahiny mpamaky trano eny Ambohimalaza sy ny manodidina. Voasambotra nandritra […]
Other News
Toamasina : mpanao gazety fito lasibatry ny jiolahy
Niloa-bava ny farany, niantso ny tomponandraikitra sy ireo mponina ao Toamasina hifarimbona amin’ny ady amin’ny asan-dahalo ny fikambanan’ny mpanao gazety ao an-toerana (AJT), ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny taona 2022, mpanao gazety fito no indray lasibatry ny jiolahy tamin’ny fomba samihafa. Nisy ireo mpanao gazety very fitaovam-piasana sy orinasan-tserasera […]
Naiditra am-ponja: tovolahy nanolana zazavavikely efatra
Samy notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny fiakarany fampanoavana ireo roa lahy voasaringotra tamina raharaha fanolanana ankizy tsy ampy taona tao Toamasina, ny zoma lasa teo. Raim-pianakaviana iray mpiasan’ ny kaominina ambanivohitra iray ao an-toerana no voatondro ho nanolana ny zana-badiny. Niala sasatra tao amin’izy ireo ity zaza ity. Nony niverina tany […]
Fisafoana ataon’ny polisy: jiolahy sivy maty, 106 voasambotra
Tao anatin’ny tapa-bolana, nahatratra 106 ireo voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ireo fisafoana nataony eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miisa sivy kosa ireo jiolahy lavo nandritra ny fifandonana. Tafiditra amin’izany ireo mpanao halatra miaro herisetra mitam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra. Tsy mitsahatra ny fisafoana na antoandro na alina ataon’ny polisim-pirenena, indrindra […]
Ankasina: mpanendaka roa lahy lavon’ny polisy
Lavon’ny polisim-pirenena, afakomaly, ny roa tamin’ireo jiolahy efa-dahy saika hanao ny asa ratsiny tetsy Ankasina. Nanararaotra ny orana nijojo ireo olon-dratsy, saingy nifanehatra tamin’ny polisy. Tamin’io fotoana io, vehivavy hamonjy fodiana nandeha moto no lasibatr’ireo mpanao ratsy. Efa niandry teo amin’ny “rond point Mad Inox” izy efa-dahy. Araka izany, eo […]