Other News

Minisitra Resampa : “Antoky ny fahombiazana ny fotodrafitrasa tsara”

Anisan’ny manana anjara amin’ny fotodrafitrasa notoka­nana tany Moramanga, omaly, ny tanora mpanao fanatanjahantena. Kianja syntetika mahazaka mpijery 1 000 no notokanan’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja. Nambaran’ny minisitra fa antoky ny fahombiazan’ny atleta ny fananana fotodrafitrasa tsara sy manara-penitra. Porofon’izany ny vokatra tsara […]

“Can 2024” : hanala vela sy hanao valinady amin’i Nigeria i Côte d’Ivoire

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024). Hamarana izany ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Voromaherin’i Nigeria. Hifantoka ao amin’ny kianja Alassane Ouat­tara ny sain’ny rehetra, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra amin’ity faran’ny herinandro ity. […]

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka manao sidina anatiny ny Ma­dagascar Airlines hatramin’ny 15 avrily. Sidina ho an’Antsiranana-Sambava, Toamasina-Maroan­tse­tra ary Maroantsetra-Toamasina ny alatsinainy, mielanelana herinandro. Sidina mampitohy an’i Taolagnaro-Toliara ny talata, Sambava-Antsiranana ny sabotsy ary Nosy Be-Mahajanga mandroso sy miverina ny alahady, isan-kerinandro. Nigadona tao Antsiranana, omaly, ilay sambo lehibe MSC Poesia Italianina, izay mirefy […]

TETIKASA ODOF – Moramanga: tafapetraka ny milina hanodinana ronono

Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Nahazo ny anjarany ny kaominina Am­bohibary, distrika Moramanga, tamin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy izay hanodina ny ronono ho lasa yaourt sy fromazy. Mamokatra ronono 2 tapitrisa isan-taona ny distrikan’i Moramanga sy ireo tanàna manodidina azy. Tombony ho an’ny tantsaha sy ny mpandraharaha ny […]

Fanampian’i Japon : vita ny tetezan’i Mangoro (RN2)

Nitarika ny fitokanana ny tetezana roa vaovao, omaly, any amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), ny filoha Rajoelina. Fotodrafitrasa vita amin’ny « béton », azon’ny fiara roa ifanenana, mirefy 102 m ny iray, tetezan’i Mangoro, raha 30 metatra ny faharoa, any Antsampazana ary samy 7 m ny sakany. Fanomezana avy amin’ny governemanta japoney, tamin’ny […]