Other News

FANTINA sy FINTINA

Vonona hanome tanana ny Antenimi­eran­doholona, noho ny tanindrazana, araka ny lahatenin’ny filohany, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, nandritra ny fotoam-pamaranana ny fivoriana teny Anosikely. Notakiny ny hamoahana ny didy fampiharana ireo lalàna nolaniana. Nanambara ny mpisolovava Rafidison Eric, fa nahazo alalana hivoaka ny fonja telo andro, ny taona 2022, Rajaonah […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : “Mila vahaolana ny tsy fandriampahalemana”

“Ny hita sy tsapa dia mihamahery vaika hatrany ny fivoaran’ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny fakana takalon’aina. Eo koa ny fanapahan-doha. Fanapahan-ta­nana indray aza amin’izao fotoana izao, ary amoizana aina izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Raza­nama­hasoa Christine, namarana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimieram­pire­nena, teny Tsimbazaza, oma­ly. Eo ny fikaikaikan’ny olona amin’ny […]

Miandry vokatra

  Amperinasa tanteraka ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nanao ranolava ny fitokanana zava-bita, tany an-dRenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro, Moramanga. Nahoraka ny fety aman-danonana. Tsy nisy diso anjara fa saika ireo sampandraharaham-panjakana rehetra no nahazo ny anjarany. Ilay governora sy ny fametrahana ny faritra iray, Mangoro, sisa andrasan’ny […]

Filoha Rajoelina Andry : “Mandroso isika, vita ny fotodrafitrasa”

Nitokana fotodrafitrasa maromaro tany Moramanga ny filoha, Rajoelina Andry, omaly. Nambarany fa vonona hampandroso ny firenena ny tenany. Notsiahiviny fa anisan’ny nahazoany fandresena amin’ny taha 70% tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tany an-toerana. Nankasitrahany ny vahoaka tamin’izany ary nambarany fa nankinina tamin’Andriamanitra iny fifidianana iny. Tanteraka izany rehefa nankinina taminy ny […]

TSELATRA

Nitondra fanazavana ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana momba ny hetsika « Opération Harato II ». Nisy ny vokatra hatramin’ny volana janoary teo. Ankoatra ireo olona 24 voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny ben’ny Tanànan’An­dra­nomiely, olona efatra hafa andalam-pisamborana satria ahina ho tompon’antoka tamin’ny vono koa. Olona nandeha lakana vao maraina no […]