Efatra mirahalahy mpangalatra voamaso, ao amin’ny fokontany Antaravay salimo, kaominina ambanivohitr’i Toliara, voasambotry ny zandary, omaly. Renim-pianakaviana manodidina ny 30 taona hita faty tsy nisy voamaso intsony tao amin’io fokontany io, ny 1 febroary teo. Notsatotsatohan’ireo tsivahalara antsy io ramatoa io. Nokendain’ireo olon-dratsy izy ary nalana teo aminy ny voamaso […]
Other News
Toamasina : mpangalatra fiara voasambotra
Tratran’ny mpitandro filaminana teo anelanelan’i Savalaina sy Ambalarondra, RN2, ny lehilahy iray nangalatra taksiborosy, tao Toamasina, afakomaly. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy tao amin’ny « Gare routière » io fiara io, ny alarobia 7 febroary teo. Nosokafan’ny jiolahy ny varavarana ka lasany io fiara io. Niverina hiditra ao anatiny ny mpamily saingy […]
Mirongatra ny famonoan-tena : raim-pianakaviana telo indray maty tao Toamasina
Tratran’ny famoizam-po tampoka tao anatina trangam-piainana samihafa ireo raim-pianakaviana telo namono tena tao Toamasina, ny talata teo. Trosa tsy voaloa amin’ny banky sy fisaraham-bady no tena anton’izany… Tsy ny tovovavy ihany! Tao anatin’ny herinandro, raim-pianakaviana telo indray namono tena tao Toamasina. Ho an’ny tranga voalohany, raim-pianakaviana 31 taona monina ao […]






