Other News

Governora faritra Analamanga : “Olona diso lalana izay mitaona fitokonambe”

“Tena diso lalana ireo”, hoy ny fanehoan-kevitry filoha nasionalin’ny antoko TGV, faritany Antananarivo, sady governoran’ny faritra Anala­manga, Rasoamaromaka Hery, teny Antaninarenina, omaly, ny amin’ny Antenimi­eran’ny raiamandreny foko malagasy (ARFM), izay milaza hitarika vahoaka amin’ny fitokonana faobe ho amin’ny fitondrana Tetezamita ha­nanganana fanjakana tena malagasy. Tsy fidinana an-dalambe na fitokonambe na fananganana […]

Vokatry ny rotsakorana : trano roa nirodana tao Mandrosoa Ivato

Tsy nitsahatra ny rotsakorana tato anatin’ny herinandro izay. Nitarika fahavoazana maro teo amin’ny fotodrafitrasa sy ny mponina izany, indrindra ireo manamorona ny renirano. Vokany, trano roa nirodana tao amin’ny fokontany Mandrosoa Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, omaly hariva. Tsy nisy ny aina nafoy, raha ny zava-misy. nandritra izany, nafindra toerana avy hatrany ao […]

INDRAY MIJERY

Ho fampandrosoana ny zotram-pitateram-bahoaka ao amin’ny kaominina Soavina (Atsimon­dra­no), hidinika miaraka ny mpitatitra sy ny mpitantana ny ka­ominina hametrahana ny lamina vaovao, anio, ao amin’ ny biraon’ny kaominina. Nanasa ny solontenan’ny mpanjifa ihany koa ny kaominina hanatrika ny fihaonana. Foana ny filazana loza manambana ho an’ny fahabetsahan’ny rano amin’ny lemak’Antananarivo, […]

TARATRY ny KANTO

Tselonina sy Fara Gloum – Piment Café. Fotoana handrasan’ireo mpankafy hatrany ny fiarahan’ireto mpanakanto ireto, ao amin’ity toerana ity. Hotontosaina anio izany, manomboka amin’ny 9 ora alina. Hamerina indray ireo hiran’ny taona 80 sy 90, nahafantarana an’Ingahibe, izay mbola matsiro kokoa miaraka amin’i Fara Gloum izy ireo. Njara Marcel-Le Glacier. […]

Madagaslam: Antenaina ny hisian’ny fifaninanana nasionaly

Hetsika maro samihafa eo amin’ny tontolon’ny « Slam » no hotanterahina, anio sy rahampitso, eny anivon’ireo ivontoeran’ny kolontsaina. Anisan’ny ho hita amin’izany ny seho an-tsehatra, misokatra ho an’ny rehetra, eo koa ireo atrikasa. Na dia maro isan-karazany aza ny hetsika, tanjona ny hampivoarana sy hampandrosoana ny tontolon’ny “Slam” eto Madaga­sikara. Eo ihany […]