Other News

Varotra ivelany: 28,5 miliara Ar ny vola nalaina tamin’ny lavanila

Hentitra ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindra­vahy Edgard, manoloana ny resabe momba ny fanondranana lavanila. Vonona hampanjaka ny mangarahara ny tenany ka nilaza fa “ao amin’ ny kitapom-bolan’ny CNV (filankevitra nasionaly momba ny lavanila) ny 28,5 miliara Ar tsy nisy nipika”. Ity ilay vola 4 dolara […]

« Salon international du tourisme 2024 »: nampahafantarana ny hakanton’ i Nosy Be

Notanterahina nandritra ny telo andro, tany Milan-Italie, ny «Salon international du tou­risme, BIT 2024″, izay nandraisan’i Madagasikara anjara, amin’ny alalan’ireo delegasion’ ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Naseho nandritra ireo fotoana ireo ny hakantaon’ny nosy sy ireo mampiavaka azy. « Tombony tamin’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika ny fampahafantarana ny harena […]

Tao anatin’ny 11 volana: nilanja 384 021 taonina ny vary nafarana

Nihena hatrany amin’ny 43,61% ny taham-panafaran’i Madagasikara vary, nandritra ny 11 volana, voalohan’ny taona 2023. Ny volana novambra teo, nihena 12 562 t ny vary nafarantsika raha toa ka manodidina ny 76 817 t izany ny volana novambra 2022. Milanja hatrany amin’ny 114 407 t ny vary nafaran’ny firenena malagasy teo anelanelan’ny volana […]

Mandritra ny taona 2024: tsy tokony hihoatra ny 7,7% ny fiakaran’ny vidim-piainana

Mila paikady mahomby ny fitantanana ny toekerana hisorohana ny fisondrotry ny vidim-piainana, manoloana ny zava-misy maneran-tany. Tsy tokony hihoatra ny 7,7% ny vidim-piainana ho an’ny taona 2024. Mandalo ady sarotra izao tontolo izao manoloana ny ady miseho any Ukraine, Israël ary ao amin’ny Ranomasina Mena izay ahina hiantraika eo amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 8 febroary izao, ny fiofanana maimaimpoana miompy trondro, eny amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Jono (MPEB) Ampandrianomby, manomboka amin’ny 8 ora 30 mn. Mahakasika ny fiompiana an-dobo, an-tanimbary, ny sakafon-trondro, ny famokarana zana-trondro tilapia sy karpa ny fotoana. Eo koa ny fitantanana. Miisa 28 000 ny zana-kazo ambolena […]