Other News

Vakok’Arts Trano –Toliara : mizara ny traikefany Rajery

Efa any Toliara ry Rajery sy ny ekipany, nanombokany alatsinainy teo. Omaly talata, efa nitarika ny fihaonana amin’ireo mpanakanto any an-toerana, izay liana amin’ny mozika miaina ity andrarezin’ny valiha ity. Fizarana traikefa kokoa fa tsy fampianarana no nentin-dRajery. Maro ireo manan-talenta any Toliara, indrindra ireo mpanakanto mifanerasera ao amin’ny Vakok’Arts […]

« Nikon Festival 2024 » : mandray anjara ny sarimihetsiky Ranarison Andry

Anisan’ny fahombiazana sahady ho an’ny ity tanora malagasy mpanatontosa sarimihetsika ity ny nahavoafantina azy ho mpandray anjara amin’ny « Nikon Festival ». Mba hahafahany mandrombaka ny amboara, mila tosika sy tohana lehibe izy. Mitombo hatrany ny Ma­lagasy mpanatontosa sarimihetsika, miakatra amin’sehatra iraisam-pirenena. Ranarison Andry indray no mandray anjara amin’ny fifaninanana « Nikon Festi­val », […]

An-drenivohitra sy ny manodidina : vokatry ny toe-tsain’ny mpamily ny mahatonga ny fitohanan’ny fiara

Zary lasa fiainana sy mahazatra ny ankamaroan’ny olona ny fitohan’ny fiara misy eto an-drenivohitra. Maharitra eo anelanelan’ny ora iray hatramin’ny adiny efatra eo izany rehefa tena mihisatra, ra­ha ny zava-misy. Anisan’ny fitaovam-pitaterana eto an-drenivohitra ny fiara fitateram-bahoaka (taksibe), moto, taxi… Olana sedraina, iraisan’ny mponina rehetra eto Antananarivo ny fitohanan’ny fifamoivoizana […]

FANTINA sy FINTINA

Nalefa eny amin’ny HCC ny raharaham-pitsarana ho an’ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, araka ny didy savaravina, omaly. Mihemotra amin’ny 12 marsa izany ny didy. Herintaona sazy mihantona kosa ho an’ireo voasambotra tamin’ny hetsika fotsy. Samy voaheloka 30 volana an-tranomaizina sazy mihantona ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy […]

Fiatrehana ny fifidianana: mitaky tokotany madio ny MMM

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianaina­rivelo Hajo, omaly, tamin’ny tambajotran-tserasera fa na­nana kandidà hatrany ny antoko tarihiny. Niatrika fifidianana tao anatin’ny 10 taona nijoroana. “Tsy maintsy miomana handray anjara koa na ho ela na ho haingana amin’ny maha antoko. Takina hatrany kosa anefa ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara”, hoy izy. […]