Other News

Bemasoandro Atsimondrano: Mpitondra moto maty tsy tra-drano

Tsy nanao aroloha, nandeha mafy, nidona tamin’ny sarety notarihin’omby, ny lehilahy iray nitondra kodiaran-droa teny Ankadilalana, kaominina Bemasoandro, dis­trikan’Antananarivo Atsimon­drano, omaly maraina tamin’ ny 4 ora sy sasany. Nizotra avy amin’ny lalan’Ampasika io mpitondra moto marika Kymco G6 io, araka ny fanazavana avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Nifanoha-dalana taminy kosa ny sarety […]

Ambohimanatrika Tanjombato : Nahitana fatin-jaza tsy nisy lohany

Nihoron-koditra ny mponin’i Tanjombato, omaly. Nisy nanary teny Ambohimanatrika ny vatana mangatsiakan’ny zazakely iray. Nihoson-dra sy tsy nisy lohany ny razana. Tsy nisy loha intsony sady mbola niosin-dra ny tendan’ny zaza hita faty teny Ampamoloana, fokontany Ambohimanatrika, kaominina Tanjombato, omaly maraina. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa teny an-dalana ny mpianatra hamonjy sekoly […]

Fomba Sakalava Menabe: Hatao ny 20-28 aogositra ny « Fitampoha 2026 »

Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo ny «Lohavogny 2026 ». Natao tao amin’ny zomban’Andriami­sara izany, izay notarihin’ny Am­panjaka Kamamy Geor­ges. Fomba nentim-paharazana izay notohizan’ny taranaka izy ity any Menabe, izay natao indrindra hanomanana ny « Fitampoha » manaraka, ka nanaovana ireo fanao toy ny famonoana omby, sns. Nivo­aka nandritra ny «Loha­vogny» ihany […]