Other News

Vono olona: ankizivavy 14 taona hita faty tao anaty tatatra

Fatim-behivavy iray nifangaro tamin’ny fako, tao amin’ny lakandrano ao Antarandolo, Fianarantsoa, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra tongotr’olona nipoitra teo amin’ny fako anaty rano. Nitangorona ny manodidina nijery ny zava-nisy. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana izy ireo. Nakarina tao anatin’ny ranom-potoka io vatana mangatsiaka io. Ankizivavy vao […]

Loza an-dalamby: niampy iray ny maty tao Manakara

Niampy iray indray ireo olona maty tamin’ilay loza an-dalamby tao Manakara, ny alarobia teo. Vehivavy iray 20 taona namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly nitsaboana azy. Tafakatra efatra, araka izany, ireo olona maty tamin’ity lozam-pifamoivoizana an-dalamby ity. Teo anelanelan’i Fenoamby sy Sahasinaka, distrikan’i Manaraka, no nitranga ny loza tamin’io fotoana […]

Tselatra

  Ankizivavy 15 taona  avotry ny zandary teny am-pelatanan’ny olon-dratsy  ao Sarognanala, kaominina Befotaka, distrikan’i  Mahabo,  ny 1 febroary teo. Nalain’ny dahalo mpaka an-keriny ho takalonaina io vehivavy io. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary ka navotsitr’ireo dahalo nandritra ny fifanenjehana ilay ankizy.   Telo mianadahy mpidoroka sady mpivarotra […]