Other News

Ho fanomezan-kasina ny teny roa tonta…: natolotra omaly ny rakibolana Indonezia – Malagasy

Efa ho 47 taona izao no nisy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Indonezia. Efa an-taonany maro talohan’izay anefa no nahatsapana fa misy fifamatorana ara-tantara eo amin’ny firenena roa, ary mety misy fototra iarahana raha tarafina amin’ny tsanganana sy endriky ny mponina roa tonta. Nahitana ihany koa anefa fa […]

Sarimihetsika fohy: reharehan’ny Malagasy i « Imanitrala »

Manana talenta ny Malagasy raha ny tontolon’ny sarimihetsika.  Mametraka ny fahaiza-manaony tsikelikely ireo mpanan-talenta amin’izany. Manomboka ahitana vokatra lehibe ankehitriny ny ezaky ny tsirairay. Sarimihetsika fohy manana ny lazany eran-tany eo amin’ity tontolo ity i “Imanitrala”, an’i Edgard Ravahatra, notontosain-dRanarisoa Andry.  Isan’ny nivoaka nandritra ny “Rencontre du Film Court”, izay […]

Depiote Andrianandrasana Norbert: “Mila hatsaraina ny sosialim-bahoaka”       

“Efa betsaka ny vitan’ny fanjakana amin’ny fotodrafitrasa. Ny amin’ny sosialim-bahoaka, tao anaty lavaka isika nandritra ny taona maro. Miezaka ny fitondram-panjakana mijery izay amin’izao fotoana izao. Mila hatsaraina izay, araka ny fahitanay azy“, hoy  ny depiote, Andrianandrasana Norbert Marie Ignace. Any Mananjary, ohatra, ny tantsaha no tokony hojeren’ny fanjakana akaiky […]

Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana: hohamafisin’ny Bianco ny ady amin’ny kolikoly…

Napetraka ny herinandro teo hitantana ny rantsamangaikan’ny Bianco any Manakara i Mananjara Andy. Am-perinasa avy hatrany izany ary nametraka fanamby hanamafy ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny faritra  Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Anisan’ny antony nametrahana izany maha faritra mamokatra sy manana tanjaka ara-toekarena ireo faritra ireo. Mila fiantohana ny […]

Fanapahan-kevitra ny CSM: mpitsara efatra nahazo fanasaziana 

Mpitsara 1er Grade avy ao Toamasina nahazo fampitandremana, araka ny fanapahan-kevitra tamin’ny fivorian’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), ny faran’ny herinandro teo. Eo koa ny mpitsara iray avy ao amin’ny faritra Sava, “3ème Grade, 3ème échelon”, nahazo sazy faniniana; mpitsara iray “3ème Grade, 2ème échelon”, eto Antananarivo, nampidinana “échelon”; […]