Other News

INDRAY MIJERY

Ho betsaka ny rotsakorana any amin’ny faritra afovoany atsinanana, hatry ny omaly, sy any amin’ny faritra Diana, manomboka ny alahady. Noho ilay tangoron-drahona sy ny Zone de convergence inter-tropicale no mahatonga izany. Filazana fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Atsinanana ary miloko maitso ho an’ny Diana. Toeram-pampianarana teny sinoa lehibe […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Ngah Matoa. Mpiangaly ny rap gasy, Rakotondrabe Andriantsoa Tolotra, fantatra eo amin’ny tontolo amin’ny anarana hoe Ngah Matoa na Ngam. Mpanao tononkira masiaka sy mivantambatana izay no tena hitiavan’ny mpankafy rap azy. Efa betsaka ny seho nandraisany anjara, na ny “ambany gorodona” na ny goavana kokoa. Piment Café […]

Misaona indray ny Hiragasy: nodimandry Radona, Ramilison Besigara

Lasa namonjy an-dRamilison rainy, Zeze zokiny ary i Perline anabaviny ihany koa Radona. Nodimandry teo amin’ny faha-55 taonany Rafalison Joachin, fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ny hoe Radona. Toa ny vara-datsaka ny nahenoana ny vaovao ny alin’ny alarobia teo, ka nisesy ny fampaherezana ny fianakaviana sy ny tropy, ny fanomezam-boninahitra […]

Ambohidratrimo Marovatana: hamerina sy hanandratra ny kolontsaina fanorona

Ho tanterahina ny 10 sy 11 febroary ho avy izao “Festival Fanorona Marovatana”. Eo am-pamaranana ny fikarakarana ny tomponandraikitra, ankehitriny. Raikitra izany! Handray ny “Festival Fanorona Marovatana” ny eny amin’ny kaominina Ambohi­dratrimo. Haharitra roa andro ny hetsika, karakarain’ny eo anivon’ny Vovonana Nasio­nalin’ny Fanorona Malagasy. Miara-misalahy amin’ny fanatontosana izany i Zama […]

Galerie Vellutini Isoraka: mandravaka ny toerana ny ranty hosodoko

Tanterahina eny amin’ny Galerie Vellutini Isoraka, ny fampirantiana hosodoko, iarahana amin’ny mpahay kanto mpanao hosodoko maro. Am-polony izy ireo no mandranty ny asa tanany sy ny haikantony eny an-toerana. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hifampizara eo amin’ny mpankafy hosodoko sy ireo mpahay kanto, ny fanomezana sehatra ireo mpahay kanto, indrindra […]