Other News

Tetikasa Produir : miroso ny fanarenana ny lakandrano C3

Kihon-dalana lehibe ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa « Produir” ny taona 2024. Voakasik’izany ny asa vaventy hatao eto Antananarivo sy ny manodidina, toy ny fanamafisana ny lakandrano C3, ny fanajariana an-tanàn-dehibe, sns. Hanomboka tsy ho ela ny andiany manaraka amin’ny asa fanamafisana ny sisin’ny lakandrano C3 eto Antananarivo. Ao anatin’izany ny […]

FANDOAVAN-KETRA: mbola malaina ny Malagasy, mila fanentanana bebe kokoa

Malaina mandoa hetra ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Mbola mila ezaka mafy ny fanentanana ny rehetra hanao izany. Ezaka ataon’ny kaominina maro ny fidinana eny ifotony, mitety fokontany, mba hanentanana ny olona mahakasika izany. Efa nisy ihany koa ny ezaka nataon’ny Foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra manoloana izany. […]

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny didim-panjakana noraisina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny Alarobia teo, ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcelin, sy ny an’ny faritra Melaky, Ratsitohara Patrick, ary ny an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny Dr Mahafaky Justin. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirene­na, Razanamahasoa Christine, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena […]

Rakotoniaina Pety : “Tsy fitadiavan-tseza ny fanohanana ny filoha”

Governemanta teknisianina ny governemanta vaovao amin’izao fe-potoam-piasana faharoan’ny fitondran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izao. Izay, ohatra, no tsy isian’ny olom-boafidy toy ny solombavambahoaka ho mpikamban’ny governemanta. Toy izany koa no tsy nisian’ny mpanao politika na mpitarika antoko politika izay nanohana azy tamin’ny fifidianana. “Tsy fitadiavan-tseza no nanohanana ny filoha Rajoelina”, […]

An-tampon’ny samy reraka !

Mampihoron-koditra ny vaovao miely etsy sy eroa, indrindra mahakasika ny fiainana andavanandron-dRamalagasy. Tena mampiteny ny tsy afa-miteny ny zava-misy, manerana ny Nosy. Sanatrian’ny vava mamendrofendro fa sintonina ihany ny lakolosy mba hitandreman’ny rehetra. Mety sarotra hinoana, fa tena efa mivaralila, mirona any amin’ny fomba ratsy mamohehatra ny olona. Mahazo vahana […]