Other News

Fahatsiarovana an’i Madame ZO: handray anjara ny Compagnie Tahala

Anisan’ny handray anjara amin’ny hetsika fampahafantarana ny katalaogy mirakitra ny haikanton’i Madame Zo, eny amin’ny Fondation H Amba­tomena, ny Compagnie Tahala de Tamatave. Hetsika izay hatao ny sabotsy 20 ja­noary 2024. «Mpihaza Ri­votra » no anarana nampitondrain’izy ireo ity soradihy ho ataon’izy ireo ity. Dinampitia Zoe no namorona sy namolavola ity soradihy […]

Taom-pampisehoana 2024: hifaninanana ny seho goavana sy tsara kalitao

Raikitra! Hisokatra afaka herinandro vitsy ny taom-pampisehoana ho an’ny taona 2024. Efa naka bahana amam-bolana ireo mpanakanto sy mpikarakara, hifaninana amin’izany. Efa samy mandrangaranga ny tetikasany sahady… Manodidina ny Fetin’ny mpifankatia hatrany ny fanombohan’ny taom-pampisehoana eto Madagasikara. Saika seho anaty efitrano ihany anefa, satria mbola anaty vanim-potoan’ny orana izany. Ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiaraka hanala ny fako eto an-drenivohitra ny minisiteran’ny Rano sy ny CUA. Hampiasaina amin’izany ireo kamiao avy amin’ny firenena japonais, raha vao tafapetraka ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS), hitantana ny kaominina CUA. Hatomboka haingana koa ny famahana ny olan’ny rano ao anatin’ny tetikasa “Tana Water III”. Mitentina hatrany amin’ny 1,1 […]

Orange money : azo asiana kaonty ny tambajotra rehetra

Azo anokafana kaonty Orange money na tambajotra hafa aza. Vita anatin’ny 5 minitra monja ny fanokafana izany. Fiovana goavana no entin’ny orinasa Orange Ma­da­gascar amin’ireto tolotra vaovao sy miavaka nampahafantarina omaly, tetsy Anko­rondrano, ireto. Tsy mitsaha-mivoatra manaraka ny toetrandro sy manome fahafaham-po ny mpanjifa ny tontolon’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara. Afaka […]

Fitantanana mpiasa : azon’ny Telma ny Top employer 2024

Azon’ny Telma tato anatin’ny telo taona nisesy indray ny mari-pankasitrahana amin’ny fomba fampiasan’ny orinasa ny mpiasa, ny « Top employer 2024 ». Porofo manamarina ny ezaka ataon’ity orinasa ity ny kalitaon’ny fomba fitantanana ny mpiasa (RH) izao loka fanintelony izao, izay azo sokajiana ho fitaratra ho an’ny hafa. Ao anatin’izany ny karama, […]