Other News

Fasankarana : mitohy ny asa fanamboaran-dalana

Mitohy ! Miverina nanomboka ny 5 janoary 2024 teo, ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RNT 58, mampifandray an’Ankadimbahoaka, Fasankarana, Jovena Anosizato. Nijery ifotony ny fizotry ny asa, ny talen’ny Fotodrafitrasa, Razafindrianarivo Henri Jacob, ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), omaly. Miandraikitra ity fanarenan-dalana ity ny orinasa Colas, ao anatin’ny telo herinandro. […]

TOLOTRA «jirakaiky» : azo aloa eny amin’ny Cash point ny faktioran-jiro sy rano

Mitombo hatrany ny fomba azo handoavana ny faktioran’ny Jirama, hampihenana ny filaharam-be. Anisan’ny vaovao ny fandoavana azy eny amin’ny Cash point nahazo alalana avy amin’ny Jirama. Maro ny mitaraina amin’ny filaharam-be rehefa mandoa ny faktioran’ny jiro sy ny rano. Miroso amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny fanjakana, amin’ny ala­lan’ny Ji­rama. […]

TARATRY ny KANTO

Iraimbilanja etsy amin’ny Piment Café Beho­ririka. Tafiditra hatrany amin’ny fanamarihana ny faha-20 taona nisian’ity toeram-pialamboly ity, anjaran’ny tarika Iraimbilanja indray ny manafana ny sehatra anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fara Gloum any Moramanga. Taorian’ny fihaonana tamin’ireo mpankafy tetsy Ambodivona, ny alarobia teo, manome fotoana ireo any Moramanga […]