Efa mihodina ny “Centrale solaire” ao Marovoay. Misitraka izany ny vahoaka ao an-toerana ankehitriny. Ny volana jolay 2023 no nanombohana ny asa fametrahana ireo Panneaux solaires ary ny 05 desambra lasa teo ny Réception technique. Mamokatra herinaratra 500kWC io ivontoerana io. Nampahafantatra ny CHUSSPA fa efa tonga ny karazam-baksiny avy […]
Other News
TARATRY ny KANTO
“Mampitia teatra”, miaraka amin’ny Tropy Jeannette. Fampiofanana teatra izy ity, izay natokana ho an’ireo ankizy 5 hatramin’ny 13 taona, ka liana amin’ny fiakarana an-tsehatra. I Tsiory Ravaloson, mpilalao teatra sy tomponandraikitra ao amin’ny Tropy Jeannette no hiandraikitra izany. Natao mba hanabeazana, hampivoarana ny maha olona, hanomezana fahatokisan-tena, fikoloana ny saina […]
Soatoavina malagasy : tsy tazana intsony ny « zanaka iaraha-manana »
Anisan’ny niteraka fiovana lehibe teny anivon’ny fiarahamonin’ny Malagasy ny tsy fahaizana mifanabe. Tsy tazana intsony ny «zanaka iaraha-manana». Na ny nateraka na tsia, rehefa zanaka, nifarimbonan’ny mpiara-monina fahiny nobeazina. Ny ankehitriny, na ny mananatra sy mampita hafatra ho an’ny zanaka aza, tsy vitan’ny raiamandreny sy ny fiarahamonina intsony. Matahotra ny […]
Tantara an-tsary: hiresaka ny “Grand Frère” i Dwa
Toy ny ahoana ny namadihana tantara foronina (roman) ho tantara an-tsary? Ahoana ny safidy amin’ny sary, mba hamoaka manontolo ny aingam-panahin’ny mpamorona? Ampahany amin’ireo horesadresahan’i Dwa, ny sabotsy 13 janoary izao ireo, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny IFM Analakely. Ilay boky “Grand Frère” no horesahan’ity mpanao tantara an-tsary […]
« Prix Kourouma 2024 » : voafidy hifaninana ny boky « Za Koa » an’i Hary Rabary
Mitombo hatrany ny Malagasy mpahay kanto sy ny haikantony, tafakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maro amin’izy ireny aza ny mandrombaka ny amboara mihitsy. Taratry ny fisian’ny lanjan’ny haikanto Malagasy izany. Tafiditra ho anisan’ireo hiatrika ny dingan’ny famaranana, «Prix Ahmadou Kourouma 2024”, i Hary Rabary, Malagasy mpanoratra, amin’ny alalan’ilay asa sorany […]






