Other News

MDN Stadium Betongolo : kianja “synthétique” ho an’ny miaramila

Taorian’ny RM 1 Analakely, nahazo kianja “synthétique” ihany koa ny miaramila eny Betongolo. MDN Stadium no anarana isaloran’izany fotodrafitrasa izany, izay fiaraha-miasa tamin’ny orinasa PK, tantanan’i Harimanitra Andriamparany. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo ny kianja, natokana ho an’ny baolina kitra lalaovin’olona 7. Afaka ampiasaina isan’andro na amin’ny […]

« Telma Coupe 2023 »: hifandona ny CFFA sy ny Fosa Jr

Dimy volana aty aoriana, mitohy indray ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ity fifanintsanana ity ny sabotsy ho avy izao. Klioba miisa valo ao amin’ny PFL ireo hifanintsana. Notanterahina omaly, teny Isoraka, biraon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny fisarihana « tirage au sort » ny ampahefa-dalan’ny […]

Loholona Ramanambitana Richard : “Ny vahoaka no hitsara ny governemanta vaovao”

“Ny vahoaka no hitsara voalohany indrindra manoloana ny fianianana nataon-dry zareo, ankoatra ny fitsarana anatiny ataon’ny fanjakana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Ramanambitana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Anosikely, afakomaly, momba ny governemanta vaovao. Tsy ataotao foana ny fianianana, fa hanatanteraka ny asa ary tsy mitady afa-tsy ny tombontsoa ambonin’ny […]

INDRAY MIJERY

Mikatona avokoa ny fiangonana FJKM rehetra amin’ny alahady izao. Mifamotoana eny amin’ny Toeram-piofanana ho mpitandrina (TPM), Ivato, ny mpino kristianina rehetra amin’ireo synodam-paritany, hitondra am-bavaka ny taom-piasana 2024. Hitondra am-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany koa, mandritra izany. An-tapitrisa ireo mpino kristianina FJKM heverina ho avy eny an-toerana. Natao […]

Mpianaka niara-maty: tokantrano iray notetezin’ny varatra

Notetezin’ny varatra ny tranon’izy eni-mianaka teny Lavahitsiny Anosiala, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina. Namoy aina telo ny fianakaviana. Vehivavy mpianaka niara-maty izay bevohoka fito volana ny iray. Mafy ny manjo ny fianakaviana iray, monina eny Lavahitsiny, Kao­mi­nina Anosiala, distrik’Am­bohi­dratrimo. Maty nilatsaham-potaka ny renim-pianakaviana roa tao an-trano. Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-42 […]