Other News

Farihy Tsimanampetsotsa: arovana ny trondro jamba mitoho

Karazan-trondro jamba ny mitoho, antsoina hoe : « Typhleotris madagascariensis ». Tsy hita maneran-tany afa-tsy any amin’ny  faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara, toy ny ao anatin’ny zohy valanjavaboahary arovana ao Tsimanampetsotsa, Toliara. Mitantana ity toerana ity ny Madagascar National Park (MNP), miara-miasa amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI). Manana ny kolontsainy mampiavaka azy ny mponina […]

Tranga

Lehilahy iray maty voatsatok’antsy tetsy Ambatomirahavavy, ny faran’ny herinandro. Mpiambina no asany. Natory tao amin’ny trano andalam-panamboarana hiasany, araka izany, izy.  Nipotsaka ny tsinain’io lehilahy io noho ny vono nahazo azy. Tsy nisy nipika anefa ny vola 470 000 Ar napetrak’olona tao aminy. Karohin’ny mpitandro filaminana ilay mpamily ny kamiao nitondra […]

Madirovalo: dahalo iray lavon’ny zandary

Lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana ny dahalo raindahiny iray tao  amin’ny fokontany Ambahivaha, kaominina Madirovalo, ny alin’ny 26 desambra teo.  Nanara-dia io mpangalatra omby io sy ny namany ny zandary miasa ao an-toerana. 2 km mivoaka miankandrefana ny tanàna, raikitra ny fifandonana mahery vaika tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nihemotra ny […]

Analakely: roa lahy mpangalatra moto naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja omaly, ireo roa lahy mpangalatra moto voasambotry ny mpitandro filaminana, tetsy Analakely. Nangalatra taxi-moto tao anelanelan’Ambatolampikely sy Malaza, fokontany Ambohidralambo, kaominina Ambanitsena izy ireo. Voaroba tamin’izany ny moto scooter 4T. Naharay fitarainana ny zandary miasa ao Carion ny ampitson’io. Nokarohina ny mpangalatra. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa […]