Misy koa ireo teratany malagasy avy any ivelany, maniry ho minisitra ka nandefa ny mombamomba azy (CV) amin’ny alalan’ny “Mailaka”. Tsy maintsy aterin-tanana kosa ireo kandidà ho minisitra avy eto an-toerana. “Tsy hanatitra ny dosie mombamomba ahy (CV) na aiza na aiza aho sy ny antoko MMM”, hoy ny fanambaran’ny […]
Other News
Rakotoarijaona Jerry: “Hampatahotra ihany ny hiditra ho minisitra”
“Ankehitriny, miova be ny fanendrena ny mpikamban’ny governemanta. Hanao fianianana izy ireo sady hanao taratasy fametraham-pialana avy hatrany. Lasa avy hatrany rehefa tsy mahomby”, hoy ny mpandrindra ny Vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry, momba ny fananganana governemanta. Azo eritreretina aza fa somary hampatahotra ihany ny hiditra ho […]
Vonona sy vanona
Tsy ho ela! Mialohan’ny tapatapaky ny volana janoary no ho teraka Ambatobevohoka. Hivoaka tsy ho ela ny mpikambana anatin’ny governemanta. Efa sasa-miandry ny ambany lanitra. Mitaintaina kosa ireo nanatitra antontan-taratasy. Miandry ny finday haneno, sao anisan’ireo voaantso hanao adina sy halaina am-bavany. Maro ny te ho minisitra! Raha ny […]
Vinavina tetiandro avy amin’ny Ceni : hatao mialoha ny avrily ny fifidianana ben’ny Tanàna
Ho tapitra tsy ho ela ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Efa miketrika ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ny Ceni. Tafiditra ao anatin’ny lahadinik’ireo mpikambana eo anivon’ity rafitra mikarakara fifidianana ity ny fandinihana ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna, miaraka amin’ny mpanolotsaina. Anisan’ny horesahan’izy ireo […]
TSELATRA
Malagasy enina indray voasambotra sy notazonin’ny mpitandro filaminana maorisianina ao Maorisy, omaly. Voarohirohy amina raharaha fanaovana trafikana zava-mahadomelina avy aty Madagasikara izy ireo. Efa nisy maorisianina efatra voasambotra, ny zoma teo, raha niampy ireo Malagasy ireo indray izany ny alahady. Tratra ireo rongony 340 kg. Miaramila roa lahy naratra satria […]







