Vinavina tetiandro avy amin’ny Ceni : hatao mialoha ny avrily ny fifidianana ben’ny Tanàna

Ho tapitra tsy ho ela ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Efa miketrika ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ny Ceni.

Tafiditra ao anatin’ny lahadinik’ireo mpikambana eo anivon’ity rafitra mikarakara fifidianana ity ny fandinihana ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna, miaraka
amin’ny mpanolotsaina. Ani­san’ny horesahan’izy ireo
amin’izao volana janoary izao ny antsipiriany momba izany. “Hamolavola izany tsy ho ela izahay nefa koa mbola miankina amin’ny toe-draharaham-pirenena izany”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny Ceni. Na izany aza, tombanan’izy ireo ho eo anelanelan’ny volana marsa sy avrily ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ireo kaominina miisa 1695 manerana ny Nosy.
Hialoha lalana ny fifidia­nana solombavambahoaka izany io fifidianana eny ani­von’ny kaominina io.

Iandrasana ny HCC
Tsiahivina fa notanterahina ny 27 novambra 2019 ny fifidianana ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, amperinasa, ireo. Nandray ny asany ny janoary 2020 ny maro amin’izy ireo ary hifarana ny fe-po­toam-piasana rehefa nahavita ny efa-taona nitantanana.
Na izany aza, miandry ny fankatoavan’ny HCC ny fampiharana ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna ho 5 taona, araka ny fanovana nataon’ireo parlemanta farany teo. Hiova koa ny latsabato ka hofidina amin’ny alalan’ny lisitra iraisana ireo kandidà ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina.
Araka izany, anisan’ny miandry ny governemanta vaovao eo, indrindra ny minisiteran’ny Atitany sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitanta­nam-bola io fifidianana io. Tahaka izany koa ny fifidianana depiote.

Synèse R.

Partager sur: