“Ankehitriny, miova be ny fanendrena ny mpikamban’ny governemanta. Hanao fianianana izy ireo sady hanao taratasy fametraham-pialana avy hatrany. Lasa avy hatrany rehefa tsy mahomby”, hoy ny mpandrindra ny Vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry, momba ny fananganana governemanta. Azo eritreretina aza fa somary hampatahotra ihany ny hiditra ho minisitra amin’izay fepetra izay. Raha misy fahavalon’ny fampandrosoana ny firenena dia ny kolikoly. Raha kolikoly no idiran’ny olona iray eo amin’ny toerany, tsy antenaina ny fahamarinana aminy. Tsy maintsy hanao kolikoly izy hanavotana ny kolikoly nataony.
Nilaza ny filohan’ny Repoblika talohan’ny nanendrena ny Praiminisitra Ntsay Christian fa efa hita ny fomba fiasany ary efa zatra niara-niasa izy ireo. Izay no nanendrena azy indray. Niteny koa ny filoha fa tsy tiany ny manovaova, ka naveriny amin’ny toerany ny Praiminisitra. “Tsy voatery hahafaly ny rehetra ny fanapahan-kevitra. Nefa ny asa atao no tena ifampitsarana”, hoy izy. Nanomboka tamin’ny 2018 no nanomboka lehiben’ny governemanta ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tao anatin’ny vanim-potoana namaivay no nametrahana azy eo amin’ny toerany, satria taorian’ny krizy teto amin’ny firenena. Nefa nanomana governemanta notarihiny tamin’ny 2018. Teo koa ny fifidianana tamin’ny 2023, izay tontosa fa tsy nisy ady an-trano na korontana fa nilamina soa aman-tsara.
R. Nd.




