Other News

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina, omaly, tany Zimbabwe Harare, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Cosafa School U-15”, taranja baolina kitra. Nomon­tsanin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa mavesatra 8 no ho 0 ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy vehivavy. Nanao ady sahala 0 no ho 0 ny sokajy lehilahy. Miisa enina ireo klioba frantsay mbola manohy […]

GTA – Manasa-dalana : hifandona ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny ampahefa-dalan’ny «Grand Tournoi Antananarivo (GTA)», taranja baolina kitra. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro amin’ity dingana hiadiana ny tapakilan’ny manasa-dalana ity, ny an’ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy, rahampitso. Tsiahivina fa tamin’ireo lalao roa nihaonan’ny roa tonta nandritra […]

Rugby – Amboaran’i Madagasikara : vonona handresy ny Cosfa ny Uscar

Lalao handrasan’ny rehetra, ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara taranja rugby, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiady izany, ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar. Vonona handresy ny miaramila ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fanamby goavana ho an’ny ekipan’ny kaomi­nina Antananarivo renivohitra ny Uscar, ny hibata ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby ny alahady […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa vita ny ampahefatry ny asa ankapobeny amin’ny fanamboarana ny lalana RN 13, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe. Mahatratra 51 km ny ampahan-dalana nasiana fanitarana amin’ny velarany, 28 km efa naravona. Mandeha tsikelikely koa ny fandrakofana godirao, miampy ny fametrahana lakandrano sy fanarian-drano. Miakatra avokoa ny ankamaroan’ny entana fampiasa andavanandro […]

Tetikasa AD2M Melaky: hanondraka velaran-tany 1.600

Notanterahin’ny tetikasa AD2M sy ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy fiompiana (DRAE) Melaky, ny 12 desambra teo, tany amin’ny Antsa­lova, ny fandraisana vonjimaika ny fahavitan’ny asa fanaja­riana ny lemak’i Beboka. 30 taona lasa izay, afaka namboly vary tamin’ny andaniny roa amin’ny reniranon’i Beboka ny mponina any amin’ ny kaominina Ampamoty, Saririaka, […]